Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsena iraisam-pirenena: ratsy toerana ny lavanila avy eto Madagasikara

Tsy ankasitrahan’ireo mpandraharaha lavanila ny vidiny farany ambany noferan’ny fanjakana ho 250 dolara ny kilao, masaka sy voakarakara. Any amin’ny faritra Sava ny maro amin’izany vokatra izany, any koa ny ifantohan’ireo mpandraharaha maro, saingy nilaza izy ireo fa tsy misy ny komandy amin’ny vokatra avy eto an-toerana, noho izay vidiny lafo izay. Eo  anelanelan’ny 150-175 dolara izao ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, koa raha io feran’ny fanjakana io, ratsy toerana eo amin’ny fifaninanana ny avy eto Madagasikara, hoy  ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila.

Manome  toerana ny vokatra avy any amin’ny firenen-kafa ny vidiny ambany indrindra noferan’ny fanjakana, indrindra amin’izao krizy ara-toekarena noho ny Covid-19 izao. Ny mpamokatra akaiky antsika indrindra, ohatra, i Afrika Atsimo, dimy taona nifanesy izao mandresy ny vokatra avy eto Madagasikara any amin’ny tsena eoropeanina, eo amin’ny kalitao sy ny vidiny. Ny vokatra avy any Amerika  Atsimo (Mexique) mamatsy mora ny tsena any Etazonia, ary ny tsena any Azia ahitana ny vokatra avy any Indonezia, mpamokatra voalohany lavanila maneran-tany.

Mameno ny tsena hatramin’ny 63 %, any Frantsa, Alemaina, ary Soisa, ankehitriny, ny vokatra avy amin’ny Nosy maromaro : La Réunion, Comores, Polynésie française, sy Tonga ; miampy ny avy ao Afrika Atsimo sy Ouganda. Ireo rehetra ireo, mifaninana amin’ny vokatra avy eto Madagasikara, manamarina fa ratsy toerana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny filazan’ireo mpandraharaha any Sava.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.