Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tratra niaraka tamin’ny basy: tratry ny vela-pandriky ny polisy ireo jiolahy

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Toamasina, afakomaly ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo vonoan’olona. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, maro ny fitarainan’ny olona amin’ny asa ratsy mitranga amin’ny faritr’Anjoma sy Ambalabe manodidina ny fiangonana Notre Dame, indrindra ny fanendahana arahana vono sy tsindron’antsy, izay mampikaikaika ny vahoaka monina amin’iny toerana iny. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka taorian’izay no nametrahan’izy ireo vela-pandrika mba hahafahana misambotra ireo jiolahy. Ny alahady alina tamin’ny 8 ora, nanao fisafoana teny an-toerana ny polisy nanao fanamiana sivily nandeha an-tongotra nanosika moto Jog no nalefa nandeha hamandrihana ireo jiolahy. Tampoka teo, nisy lehilahy iray nanambana basy ity polisy ity. Tsy lavitra teo ihanykoa, nisy telo lahy nivoaka avy any anelakela-trano nanatona azy sady naka ilay moto sy ireo zavatra teny amin’ilay polisy. Nanohitra avy hatrany ilay polisy nanao fanamiana sivily sady efa nisy namany niandry koa manodidina ireto jiolahy.Tafaporitsaka any anelakela-trano ireo jiolahy sasany vao nahita izany raha azo sambo-belona kosa ny jiolahy iray nitondra basy. Nambaran’ny polisy fa ity basy ity no entin’ireo olon-dratsy hampitahorana ireo olona anaovan-dry zalahy ny asa ratsiny.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.