Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny asa: tsy araka ny lalàna ny iainan’ny mpiasa

Tsy araka ny lalàna misoratra ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Voarakitra ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa ny karama, ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa, ny fiahiana sosialy, ny faharetan’ny ora fiasana, ny fotoana fialan-tsasatra. Mpiasa iray ihany amin’ny 10  no tsara toerana mifanaraka amin’ireo lalàna momba ny asa ireo. Misy fepetra manokana momba ny vehivavy, ny sembana, ny tsy fahazoana mampiasa ankizy.

Tsy araka ny lalàna voasoratra ny karama farany ambany sy ny ora fiasana, indrindra any amin’ny sehatra tsy miankina. Maro anisa ny tsy misy fiantohana fahasalamana, tsy misoratra any amin’ny Cnaps. Ny amin’ny faritra afakaba no tena misy tsy fanarahan-dalàna betsaka, nefa ahitana mpiasa faran’izay maro. Orinasa afakaba 185 eto Antananarivo sy ny manodidina, mampiasa olona 120 000 ka vehivavy ny 50,5 % amin’ireo. Betsaka ny tanora manodidina 29 taona.  Amin’izao fisian’ny krizy noho ny valanaretina Covid-19 izao, vao mainka miharatsy ny tontolon’ny asa amin’ny sehatra tsy miankina.

Maro ihany koa ny ratsy fivelomana, tombanan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) ho 45,5 % ny ratsy asa eto Madagasikara: mivelona amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, tena misongadina ny mivarobarotra. Mbola hafa ny mpiasa an-trano, ny mpiasa tena, any ambanivohitra izay maro anisa indrindra ireo mpiasa tena.

Anetsiny isan-taona ny tonga eo amin’ny tsenan’ny asa, ary antapitrisany ny mivelona  tsizarizary. Mampiseho izany ny fahamaroan’ny mpivarotra amoron-dalana sy anelakela-trano amin’ny tanàn-dehibe.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.