Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Noho ny Covid-19: 6,7 tapitrisa ny zaza harefo ara-tsakafo

6,7 tapitrisa ny zaza vaovao latsaky ny 5 taona ahina ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika maneran-tany raha tsy misy ny asa hatao haingana hanavotana azy ireo, araka ny tatitra ny fanadihadiana momba ny vokatry ny Coronavirus eo amin’ny zaza. Voakasik’izany tranga izany i Madagasikara ka fotoana izao handraisana ny fepetra. Mialoha ny nisian’ny valanaretina Coronavirus, nahatratra 42% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary 6% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, ny 44% amin’ny fahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona dia mifandraika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa. Nanao antso noho izany ny FAO sy ny PAM ary ny Unicef hanaovana hetsika tsy hiakaran’ny taha indray ao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina. Nambaran’izy ireo fa mila tohizana ny fizarana sakafo any an-tsekoly sy ho an’ireo marefo. Tokony hampitomboina ny tokantrano hisitraka ny fiahina ara-tsosialy ary voizina ny maha zava-dehibe ny fampinonoana ny zaza amin’ny reniny tsy misy fangarony. Manan-danja koa ny fahazoan’ny vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana sy ny singa mitondra otrikaina eny amin’ny CSB sy eny amin’ny toby voatokana ho amin’izany. Mila mifanome tanana ny fanjakana sy ny mpanohana samihafa hahatrarana ireo fepetra ireo, hoy ny solontenan’ny Unicef mpisolo toerana eto amintsika, i  Jean Benoit Manhes hisorohana ny fiakaran’ny isan’ny ankizy voan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.