Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanome 48 ora ny fanjakana ny CMC Andohatapenaka: mitaky ny tambin-karamany ireo mpiasan’ny fahasalamana 

Nanome 48 ora ny fanjakana ny CMC Andohatapenaka: mitaky ny tambin-karamany ireo mpiasan’ny fahasalamana 

Valo ny mpiasan’ny CMC Andohatapenaka mararin’ny Coronavirus ka mitaky EPI sy ny tambin’ny asa ireo mpiasa anjatony. Hiafara amin’ny fampiatoana ny asa ny tsy famalian’ny fanjakana ny fangatahana. 

Nanao hetsika fitakiana teny amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka eo anivon’ny CMCovid-19 toeram-pitsaboana ny Coronavirus ny mpiasa mampihodina izany toerana izany, omaly. Mangataka ny hanefana ny « indemnité de risque » sy ny « prime » efa nampanantenain’ny filoha ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra miatrika mivantana anatin’ny ady izy ireo. Mpitsabo, paramédicaux sy ny mpiasa hafa momba ny fandraharahana sy ny fanadiovana aman-jatony no mitaky ireo zo ireo satria ny mpiasa eo amin’ny « essai clinique » tsy tapaka mahazo ny anjarany, hoy ny fanambaran’ny mpitondra teny. Hatramin’ny nisokafan’ny toeram-pitsaboana, tsy mbola nisy nisitraka ny tambin’ny asa ny mpiasa. Nisy solontenan’ny mpiasa avy eny amin’ny hopitaly HJRA, HJRB, Manara-penitra Andohatapenaka koa nampiray feo tamin’izy ireo fa tsy nahazo na ariary aza, nanomboka ny volana marsa no ho mankaty. Manome 48 ora ny tompon’andraikitra izy ireo hamaly ny fitakiana fa mety hiato ny fandraisana ny olona hanao fitiliana sy ny marary ankoatra ny tranga tena misy fahasarotany eny amin’ny CMC Andohatapenaka.

Valo ireo mpiasa voan’ny Coronavirus

Tsy ampy koa ny fitaovam-piarovana fa roa isan’andro no azo nefa olona 300 no tonga eny. Mpitsabo telo no mararin’ny Coronavirus ary anisany ny lehiben’ny mpandrindra ny CMC Andohatepanaka, paramedicaux telo ary mpiasan’ny fandraharahana telo koa manampy ireo. Vonona izy ireo hanohy ny asa fa mila EPI sy ny tambin’ny asany. Voalaza fa hidina hijery ny zava-misy ny minisitra tompon’andraikitra sy ny mpiasa’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly ihany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.