Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matsiatra Ambony: mitohy ny fanentanana, basy 49 naterin’olona tany amin’ny zandary

Matsiatra Ambony: mitohy ny fanentanana, basy 49 naterin’olona tany amin’ny zandary

Tonga nijery izany tany an-toerana ny kolonely kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Matsiatra Ambony ka fantatra tamin’izany fa basy lava miisa enina sy basy fohy miisa 43 ireto nisy nanatitra ireto. Fiaraha-miasa eo amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny olom-boafidy ary ireo Olobe ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no nahazo izao vokatra goavana izao. Nanamafy ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana fa tsy mijanona hatreo ny ezaka fa mitohy hatrany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana maharitra eo anivon’ny faritra. “Ampihorohoroana ireo mpanao ratsy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy (mpimasy io) izay no tanjona”, hoy izy. Tsy nijanona tao amin’ny kaominina Morafeno ny dian’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa mbola nitsidika koa ny kaominina ambanivohitr’Ambalakindresy, distrikan’Ambohimahasoa ihany koa izy, nijery ifotony ny lafiny tsy fandriampahalemana. Nisy ny fihaonana nataony tamin’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana sy ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ao amin’ny kaominina.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.