Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manaitra ny IUCN: ahina ho lany tamingana ny varika miisa 103 amin’ny 107

Manaitra ny IUCN: ahina ho lany tamingana ny varika miisa 103 amin’ny 107

Loza mihatra amin’i Madagasikara ny faharinganan’ny karazana varika, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Ny olombelona ihany anefa ny fahavalo mandringana azy sy ny ala, toeram-ponenany.

Tsy mitsaha-mitombo ! Namoaka ny lisitra mena 2020 mikasika ny biby sy ny zavamaniry tandindomin-doza maneran-tany ny Vondrona iraisam-pirenena miaro ny zavaboary (IUCN), ny 9 jolay teo.

Miisa 32.441 ny karazana biby sy zavamaniry tandindomin-doza tamin’ireo 120.372 nohadihadina, manome ny 27%. Tafiditra ao anatin’izany ny varika eto Madagasikara, izay ahina ho ringana ny 103 amin’ireo karazany 107, voarain’ny IUCN lisitra. Marihina fa miisa 113 izao ny karazana varika fantatra eto Madagasikara, ka vao hitan’ny mpikaroka malagasy sy vahiny farany teo ny iray, ny microcebus jonahi, varika anisan’ny tena kely (26 sm ny halavany).

Miisa 33 ireo karazany tena ahina ho lany tamingana, ho ringana tsy ho ela, toy ny varika menamaso, ny varika mainty sy ny sifaka ary ny varibolo, izay efa potika daholo ny 90%-n’ny toeram-ponenany nefa tena maro aty Madagasikara. Eo koa ny varika madinika indrindra eto amintsika sy maneran-tany (23 sm ny halavany),Tsidy bitika an’i Berthe (microcebus Berthea), varika mivoaka amin’ny alina.

Sarotra ny hamerenana azy

Mazava ny fanairana ataon’ny IUCN. Fahavalo voalohany, tompon’andraikitra ny faharinganan’ny varika eto Madagasikara ny olombelona, ny fanaovana tavy, fandoroana sy fanapotehana ny ala, toeram-ponenan’ny biby. Eo koa ny fihazana sy ny fihinanana ny henan’ny varika.

Araka ny tatitra navoakan’ny sampana Biological Conservation, ny taona 2018, potika ny 44%-n’ny ala voajanahary eto Madagasikara, nanomboka ny taona 1950. Nomarihin’ny IUCN fa ho sarotra sady tsy afaka hiverina amin’ny laoniny intsony anefa ny zavamaniry sy ny biby ao aminy, satria tsy misy afa-tsy eto amintsika ny ankamaroany, manodidina ny 70%. Tsy ampy, araka izany, ny fambolen-kazo mahazatra fotsiny fa ilaina koa ny fiarovana ny biby.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.