Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate-WKF: feno ny fandaharam-potoana amin’ny 2021

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federasiona iraisam-pirenena, taranja karate (WKF), amin’ny taom-pikatrohana 2021, araka ny tetiandro nivoaka ny fiandohan’ity herinandro ity. Manomboka ny volana febroary dia efa hisesisesy ireo fifaninanana ary saika misy programa hatrany isam-bolana. Misy aza hahitana fifaninanana goavana roa mihitsy anatin’ny iray volana. Hisantarana ny taom-pikatrohana ny fifaninanana EKF ho an’ny sokajy Junior sy Cadet ary ny U21 izay hatao any Finlande, ny 12 hatramin’ny 14 febroary 2021. Hanomboka kosa ny “Premier league”, ny 19 febroary ary hisy fifaninanana indimy, mandritra ny taona, torak’izany koa ny “Youth League”.

Fifaninanana miisa telo ao anatin’ny tetiandro no hifanintsanana ho an’ny lalao olympika hatao any Tokyo, hahitana ny “Premier League” faharoa, ny EKF Senior ary ny fifanintsanana hatao any Frantsa, ny 11 hatramin’ny 13 jiona 2021. Araka ny efa notaterina teto kosa, ny 5 hatramin’ny 7 aogositra no hiaka-dapa ny taranja karaté mandritra ny Lalao olympika amin’io taona ho avy io. Ankoatra izay, hatao ny 16-21 novambra any Dubai ny fiadiana ny tompondaka  eran-tany ary ny “Youth League” ny hamaranana ny taom-pikatrohana, ny 9 hatramin’ny 12 desambra 2021. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany anefa ny fanatanterahana ireo programa rehetra ireo.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.