Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Antananarivo Renivohitra: « Diso ny filazana fa nandratra olona ny polisy monisipaly »

« Tsy marina ny vaovao milaza fa nandratra olona ireo polisy monisipaly », hoy ny fanambarana eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Niantso ny rehetra mba hahay hanaja sy hankasitraka ny asan’ireo polisy monisipaly ireo ny CUA. « Tsy mikely soroka manatanteraka ny adidy masina iantsorohany ho an’ny vahoakan’Antananarivo izy ireo », hoy ihany ny fanambarana.

Sarobidy ho an’ny kaominina ny aina

Notsiahivin’ny fiadidiana ny Tanàna fa andraikitry ny polisy monisipaly ny mandrindra ny mpiara-monina sy mampanaja ny lalàna. Miasa andro aman’alina  izy ireo, na vitsy aza mba hisian’ny fanajana sy ny fankatoavana ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina. « Matoky tanteraka ny polisy monisipaly amin’ny fomba fiasany sy ny fampiharany ary ny fitandrovany mandrakariva ny andraikiny ny kaominina », hoy ihany ny eo anivon’ny CUA. Mazava ny hafatry ny mpitantana : « Sarobidy ho an’ny mpitantana ny Tanànan’Antananarivo ny ain’ny tsirairay ».

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.