Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama: hampiana ny tranon-jiro eny Itaosy

Anisan’ny faritra mena, miaina amin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny eny Itaosy. Manoloana izany, manana tetikasa manokana hanamafisana ny tambajotra mitsinjara herinaratra ao anatin’ny zana-paritra lehibe iray isan-kerinandro ny Jirama. Natomboka, omaly, ny fametrahana tranon-jiro vaovao eny Ambaniala Itaosy, hanamafy ny fitsinjarana ny herinaratra eny an-toerana sy ny manodidina. Mampiomana mialoha ny mpanjifa, noho izany, ny Jirama fa tsy maintsy hisy ny fahatapahan’ny herinaratra, mandritra ny fanatanterahana ny asa.

Ankoatra izany, nitohy, omaly talata 4 aogositra, ny fanarenana ny milina “transformateur” may eny Ikianja Ambohimangakely sy ny andrin-jiro nianjera eny Lazaina. Miverina ny herinaratra aorian’ny fahavitan’ny asa.

Any Antsirabe, soloina koa ny tranon-jiro, anio alarobia 5 aogositra any Ambalavao 401. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra avokoa ireo notanisaina ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.