Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-Fandrefiala: nodimandry Ratsimbasoa Claire Lala na i Bebe Lala

Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Nodimandry, ny alatsinainy alina teo, Ratsimbasoa Claire Lala Harinoro, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Bebe Lala. Mpilalao fahiny tao amin’ny klioban’ny Fandrefiala, taranja basikety izy ary isan’ny namolavola ity klioba ity hatramin’izay. Tsy nisy tsy nahafantatra azy teo amin’ity taranja ity satria tena nahavita be tokoa izy fony fahavelony. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena i Bebe Lala, tamin’izany fotoana izany ary efa nandrombaka ny tompondaka an’i Afrika, ny taona 1970.

Tsy mbola nahazoam-baovao moa ny anton’izao fahafatesany izao. Ny alarobia izao kosa no hatao ny fandevenana azy any Sabotsy Namehana rehefa avy hanaovana fotoam-pivavahana ao an-tranony ihany. Mirary fionona feno ho an’ny fianakaviany sy ny klioban’ny fandrefiala ary ny tontolon’ny basikety eto Madagasikara.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.