Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Areti-mandoza, areti-mandazo…     

Areti-mandoza, areti-mandazo…     

Zava-doza ny valanaretina Covid-19, mbola iadiana mafy izao. Fahavalo tsy hita maso sy tsy mifidy olona, mandrava sy mamono. Tsy avela raha tsy resy tosika; farafaharatsiny, afa-miaina miaraka aminy toy ny aretina hafa tsy mbola fongana tanteraka ny tena. Izay no niadiana mafy aminy, tsy avela handrava sy hamono.

Voalaza fa mandalo toy ny rivodoza io valanaretina io, tsy maintsy hitsahatra sy ho lasa. Enga anie! Na izany aza, areti-mandazo ihany koa ny Covid-19: mandemy anaty tsikelikely, mikiky mora toy ny homamiadana. Tsy inona no tafihina andro aman’alina amin’izany fa ny fiainana andavanandro, hita maso sy an-karihary izao.

Mitombo hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’izay fitondrana tsimokaretin’ny fahavalom-piainana izay? Iaraha-mahita fa anisan’izany, ohatra, ny famerana ny fe-potoam-piasana, ny fahaverezan’asa, ny tsy fisian’ny asa… Maro no ahitana soritr’aretina: tsy fandoavana hofan-trano sy ny saran’ny jiro sy rano, ny famerana ny sakafo hanina…

Ao aza no efa ao anatin’ny hoe fahasarotana: sempotra tsy avy miaina tanteraka ny fiainan’ny isan-tokantrano, ny isam-batan’olona. Misy, ohatra, no efa lasa mivaro-pananana, manao karama varimasaka ara-bakiteny, mivaro-tena… Ao ny efa mamoy ny maha izy azy na maty fanahy amin’ny hala-boty na hala-botry, soloky…

Mila sorohina sy tsaboina izany rehetra izany mba tsy handripaka; eny, na efa mihanaka ny eny ifotony aza. Soa ihany, efa manao izay afany sy efany ny fitondram-panjakana, ny fikambanana samihafa, ny tsara sitrapo… Efa hita ny fihenan’ny tranga vaovao amin’ny fitondrana fahasahiranana? Na izay ao anatin’ny fahasarotana…

Firarian’ny maro ny mba tsy handalo fa haharitra izany mandra-piafaran’ny valanaretina sy ny fihibohana, hahahenika ny rehetra, hahafa-po na hitondra rivo-baovao ho azo iainana ahay… Izao areti-mandoza sy areti-mandazo izao, tsy maintsy atrehina sy iadiana mafy. Tsy fantatra hoe rahoviana vao tena hifarana? Miady aloha…

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.