Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasika, Ambolonkandrina, Ambohimanarina: mpanendaka, mpamaky trano… 20 lahy voasambotry ny polisy  

Ampasika, Ambolonkandrina, Ambohimanarina: mpanendaka, mpamaky trano… 20 lahy voasambotry ny polisy   

 

Nanao tohivakana ny fahatrarana ireo jiolahy mpampijaly vahoaka. Miisa 20 be izao ny voasambotry ny polisy hatramin’ny alahady teo. Manentana ny rehetra hatrany izy ireo hifanome tanana aminy.

Voasambotry ny polisin’ny Sag, ny alahady teo ny lehilahy miisa dimy teny akaikin’ny Cenam 67ha. Tsy ampy taona ny telo tamin’ireo lehilahy ary voarohirohy amina resaka fanendahana. Nisy ny fidinana sy fisavana ireo elakela-trano nataon’ny polisin’ny Sag, nanomboka ny 27 jolay teo. Vokany, namokatra ny paikady ka voasambotra ireo mpanendaka dimy lahy, ny alahady maraina teo, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany. Hita tamin’ny fisavana azy ny antsy miisa roa sy « barre fer 6 » fampiasany amin’ny asa ratsiny. Taorian’ny tranga, natolotra ny sampan-draharaha misahana ny zaza tsy ampy taona ireo telo lahy. Atolotra ny fitsarana kosa izy rehetra, aorian’ny fanadihadiana.

Ankoatra izay, lehilahy 20 isa hafa tra-tehaky ny polisy sy ny fokonolona saika hanao asa ratsy teto an-drenivohitra, ny herinandro teo.Voalazan’ny polisy fa miisa enina ireo olon-dratsy tratran’ny fokonolona ambodiomby. Isan’izany ny lehilahy iray tratra tetsy Ampasika, avy nanendaka sy nandratra ramatoa iray nandeha nody. Izay saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Teo koa ny lehilahy telo saika hanao hala-boty tetsy Ambolokandrina, niharan’ny daroky ny fokonolona. Mpangalatra nahitana antsibe ny iray. Teo koa ny roa lahy saika hangalatra « batterie » ana fiara tetsy Ankerana. Efa nafatotry ny olona tamin’ny « poteau » no hitan’ny polisy.  Eo koa ny lehilahy 14 isa tratran’ny polisy. Efatra tamin’izany, mpanendaka tratra teny Ambohimanarina ary lehilahy mpamaky trano iray. Ao koa ny lehilahy valo isa mpanendaka tantsaha vao maraina sady mpamaky trano sy mpanendaka eny 67ha. Izay nahatrarana antsy lava miisa telo sy barre mine roa. Lehilahy iray kosa tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily tetsy Analakely. Manentana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-monina hatrany ny polisy amin’ny trangana tsy fandriampahalemana ka ny laharana 020 22 281 70 sy 034 05 531 20 ny ahazoana azy ireo.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.