Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara : “Aleo hiverina an-dakilasy ny mpianatra rehetra”

Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara : “Aleo hiverina an-dakilasy ny mpianatra rehetra”

“Manana paikady iadiana amin’ny valanaretina Corona­virus ny sekoly mivondrona ao anatin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasi­kara ka tsy tokony hihiboka any an-trano intsony ny mpianatra tsy ankanavaka fa lasa malemy ny sainy sy ny vatany ka tsy hahasoa azy ireo”, hoy ny fanambaran’ny tale nasionalin’ny Institutions laicquers pour l’éducation (Aile), mpitondra teny, Rakotomalala Célin, omaly. “Omeo anay fotsiny ny fitaovana rehetra ilaina toy ny lamba hanaovanan ny saron-tava, ny vovoka fanafody hafendraka amin’ny efitrano fianarana sy ny gel fa manome toky izahay fa ho voatandrinay ny fahasalaman’ny ankizy mpianatra”, hoy izy nanamafy. Manana politika fitantanana sy fampihenana ny tandindon-doza koa ny BNGRC izay azo ampiharina amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao any an-tsekoly.
Hiroso amin’ny fanadinana ofisialy CEPE ny 1 septambra izao, farafaharatsiny, mila miverina an-dakilasy ny mpianatra hiatrika izany aorian’ny 15 aogositra ho avy izao hanomana ny famerenana sy ny toromarika rehetra. Mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny voka-panadinana raha tonga dia hiatrika fanadinana nefa tsy tsara fiomanana ny mpiadina. Voakasika ao avokoa ny mpianatra rehetra na hiatrika fanadinana ofisialy na ireo kilasy “intermediaire”. An-tsitrapo ny safidy ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary ny mpampianatra hiverina an-dakilasy hamarana ny taom-pianarana 2019-2020 fa tsy misy fanerena.

Aza ampiakarina ny saram-pianarana

Manao antso ho an’ny sekoly tsy miankina koa izy tsy hampiakatra saram-pianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao fa ny “frais généraux” hefaina indray mandeha ao anatin’ny taona no azo heverina ny hanondrotana azy. Hi­tombo ny fialana an-daharana any an-tsekoly raha vao misondrotra ny saram-pianarana satria 40% -n’ny olona nanana fidiram-bola no very asa noho ny Coronavirus.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.