Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vatsy sosialim-bahoaka-Ambohibary Antanimena : nitondra teny fisaorana ny filoham-pokontany

Anisan’ny nisantatra ny fanampiana «Vatsy sosialim-bahoaka» avy amin’ny fanjakana ny fokontany Ambohi­bary Antanimena, boriborintany fahatelo, Antananarivo Re­nivohitra, ny asabotsy lasa teo. Vary 50 kg miampy menaka 2 litatra, ronono amin’ny boaty miisa roa, voanjobory 5 kilao, CVO iray fonosana. «Tena tsy nampoizina ilay vary iray gony, efa mba nitondra harona hitondrana ilay fanampiana izahay, hay tonga dia zavatra be…”, hoy ny olona teny an-toerana. Naneho ny hafaliany ny olona, araka ny tenin’ny filoham-pokontany Ambohi­ba­ry Antanimena, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny filoham-pirenena, ny governora, ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, ny sefo distrika. “Misaotra ny fitondram-panjakana mahefa rehetra nanome vatsy sy tsy na-
nary ny vahoaka madinika amin’izao valanaretina mianjady eto amin’ny firenena izao fa tena manamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka tokoa ilay fanampiana ary mbola maniry ny hitohizan’izany ”, hoy ny filoham-pokontany Ambohibary Antanimena, i Solo.

Narilala

Les commentaires sont fermées.