Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Confejes : Nodimandry teo amin’ny fa­ha-59 taony, omaly maraina, ny sekretera jeneraly ny Confejes (Conférence des minisitres de la jeunesse et des sports), i Ali Bourhama. Nipetraka teo amin’io toerana maha SG azy io ny tenany, nanomboka ny taona 2013 ary nahavita be teo amin’ity sehatra iray ity. Nanana fifandraisana mafonja tamn’ny mpisehatra ho an’ny tanora sy ny fanatanja­hantena malagasy i Ali Bourhama fony fahavelony.
Karate-“JO 2021” : Efa nivoaka ny fandaharam-potoana ho amin’ny “Lalao olympika 2021” any Tokyo ka raha tsy misy ny fiovana, hiaka-dapa, ny 5 aogositra 2021 hatramin’ny 7 aogositra 2021, ny taranja karate. Ny karate izay sambany ho isan’ireo taranja hifaninanana amin’io fotoana io. Efa miomana sahady ihany koa ny karateka malagasy hiatrika ity lalao goavana ity, na mbola nihemotra ho amin’ny herintaona aza izany.

Nangonin’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.