Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Notetezin’ny kodiarana ny lohany…: Maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitsoraka tao ambany kamiaobe

Notetezin’ny kodiarana ny lohany…: Maty tsy tra-drano ilay lehilahy  nitsoraka tao ambany kamiaobe

Antomotra loatra ka tsy afa-niala intsony ny mpamily ilay kamiaobe. Maty tsy tra-drano, notetezin’ny kodiaran’ity fiarabe ity, ilay lehilahy ka nipotsaka mihitsy ny lohany. Voalaza fa hoe marary saina ity niharan-doza, ny asabotsy teo.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Am­balantenina Bricka­vil­le, ny asabotsy maraina teo tokony ho tamin’ny 8 ora sasany. Nitsoraka tao ambanina kamiao iray avy ato an-dRenivohitra hihazo an’i Toa­masina ny lehilahy tsy sa­lama saina iray. Vokany, potsaka tanteraka ny lohany ka maty tsy tra-drano teo avy ha­trany izy. «Ny kodiarana aorian’ny “remorque” an’ ilay fiara no nahavoadona ilay lehilahy manodidina ny 40 taona io ka maty izy. Efa niezaka niala izany ihany an­efa ny mpamily, saingy tsy afa-niala ka izao tonga amin’ ny tsy azo anoharana izao», hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.

Efa nitsoraka tamin’ny posy bisikileta
Tsy vao voalohany izao fihetsika nataon’izy io tahaka izao. Fantatra koa talohan’ny tranga fa efa nisy posy bisikileta nandalo nitsorahan’ ilay lehilahy io, saingy afa-niala. Mbola naveriny anefa ny fihetsika tamin’ny fandalovan’ilay fiara vaventy tsy nitondra entana io. Taori­an’ny tranga, nanentana ireo fianakaviana manana havana tsy salama saina ny mpitandro filaminana hanara-maso azy ireny, indrindra tsy hisian’ny loza tahaka izany. “Nanaovana fanadihadiana ny mpamily taorian’ny loza” hoy ny zandary ao an-toerana.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.