Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miarinarivo: tratra ireo roa lahy saika hivarotra omby romotra

Miarinarivo: tratra ireo roa lahy saika hivarotra omby romotra

Saika zava-doza! Tratran’ny zandary ireo olona roa (tompony sy mpivaro-kena) nikasa hamono sy hivarotra antsokosoko eny an-tsena ny ombilahy iray voamarina fa tratry ny aretina haromotana, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo tao Miarinarivo.

Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nahazo vaovao avy amina loharanom-baovao iray ny kaomandin’ny kaompanian’ny Zandarimaria Miarinarivo tamin’io fotoana io fa misy olona mikasa hamono antsokosoko omby marary. Nidina ifotony nanao ny fanamarinana rehetra ny zandary ka tratra tao amin’ny abatoara ireo roa lahy miaraka amin’ny omby iray nohamarinin’ny dokoteram-biby fa tena voan’ny haromotana tokoa (rage bovine). Rehefa natao ny famotorana tsotra, niaiky izy roa lahy fa marary io nokasaina hamidy eny an-tsena ny asabotsy maraina io. Nosamborina avy hatrany ireto olona nanana fikasan-dratsy ireto. Natoka-monina haingana sy novonoina lavitra ny tanàna ilay omby ka nodorana teo imason’ny manam-pahefana any an-toerana, ny asabotsy vao maraina. Natolotra ny fitsarana ny alatsinainy ireto roa lahy ireto. Nomarihin’ny zandary fa raha tsy voasakana io fikasan-dratsin’izy roa lahy ireo, maro ny olona voapoizina sakafo tao an-tampon-tanànan’i Miarinarivo, eny mety ho maro koa ny tratran’ny haromotana. Manentana ny tsirairay hatrany ny Zandarima­riam-pirenena hanome vaovao marim-pototra hahafahana misoroka ny loza sy miaro ny vahoaka amin’ny trangan-javatra toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.