Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama : efa tonga ny faktiora jolay ho an’Analamanga

Mitohy ny fampiharan’ny Jirama ny antsoina hoe «facturation par lots». Izany hoe, naroso ny fandoavana ny faktiora ka aloa avy hatrany ny fandaniana jiro sy rano, ny volana itsahana fa tsy miandry iray volana, toy ny hatramin’izay. Nampiharin’ny Jirama izany fepetra vaovao izany, nanomboka ny faktiora volana marsa. Amin’izao fotoana izao, efa tonga any amin’ny mpanjifa ny faktiora volana jolay. Indroa nandalo isan-tokantrano ny mpiasan’ny Jirama ka nalaina ny tarehimarika ny fiandohan’ny volana jolay, ary niverina indray izy ireo ny tapaky ny volana ihany, ka aloa amin’izao fiandohan’ny volana aogositra izao. Raha atao ny salanisa, herinandro teo ho eo ny nikajian’ny Jirama ny sora-bola aloan’ny mpanjifa fa tsy niandry iray volana toy ny tany aloha.
Raha ny hita, omaly, lava dia lava ny filaharan’ny mpandoa faktiora teny amin’ny masoivoho Jirama Analama­hitsy, ary tafavoaka hatrany amin’ny arabe mihitsy aza.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.