Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo Resaky ny mpitsimpona akotry: Mandady ny trambo

Mihoatran’ny arivo ny olona mitondra ny aretina covoid 19, mitombo hatrany koa ny olona namoy ny ainy noho io aretina io. Efa tsy mifadi-trovana intsony raha izany tranga izany no mbola sangisangiana amin’ny fanaovana tandrevaka ka tsy manaja araka izay tokony ho izy ireo fepetra fiarovan-tena sady fiarovana ny mpiaramonina. Inona intsony moa no iresahana amin’ny sasany miray monina na ny fiarovany ny tenany aza tsy efa ?
Misy moa ireo manakina amin’ny filazana fa makarenin-tsofina ny fiventimbetsesana ny zavatra efa voalaza. Tsotra ny momba izay. Efa miverimberina toy izao aza mbola maro ihany ireo manao tsirambina na efa miteraka sorisory eo amin’ny olona izay maro ihany koa ka efa tezitra mihitsy noho izay toe-tsaina mitera-doza ho an’ny rehetra. Ara-bakiteny mihitsy anie ilay hoe mihatra aman’aina ity sedra tsy mbola fahita ity. Tany am-piandohana dia voalaza fa ny zokiolona no tena mety tsy hahazaka ilay aretina sady mora mandray ilay virus. Araky ny tazana miandalana anefa dia izao hita izao fa tsy dia mifidy loatra ilay coronavirus na eo amin’ny olona ipetahany na eo
amin’ny olona resiny hatramin’ny fahafatesan’izy ireo. Ao ny tanora sy ny olona be taona, ao ny vavy ao ny lahy, na eo amin’ireo marary izany na amin’ireo olona namoy aina.
Ao koa ireo mpanararaotra faly manakorontana. Manao fanentanana ny tompon’andraikitra, lazainy fa lasan-ko vavany fotsiny. Raha vao tsy miverimberina ny fanentanana ho voarain’ny olon-drehetra dia ireo ihany no maika ery manome tsiny amin’ny fiampangana ny fanjakana noho ny tsy fahampian’ny fampitandremana ny mponina manoloana ny loza mitatao. Toy izany hatrany, apetraka ny fihibohana lazaina fa tsy mitsinjo ny madinika mila mitady ny ho hanina anio. Sokafana kely ny sehatra, toy fanokafam-baravarana mampibosesika ny fiparitahan’ilay otrik’aretina hono. Samy marina moa izany, fa adidin’ny fanjakana no mandanjalanja ny fampiarahana ireo fepetra mety hifanipaka na samy ilaina aza. Inona no afaka atao ? Moa ve tsy izay olona nofidian’ny vahoaka hitantana ny raharaham-pirenena no tokony hanapaka. Ny hevitra samy manana ny azy, ary mora amin’ireo tsy tompom-pahefana no milaza fa diso ny fitantantana. Ny heviny anie dia am-bava fotsiny fa tsy misedra ny fampiharana azy ka tsy afaka tsaraina ny tena fihatrany. Tsy ao anatin’ny fahasahiranana no hiady hevitra sy hifandresen-dahatra. Samy zanaka mpanefy ny mpanao pôlitika ka tsy misy manaiky ho resy amin’ny fifampiderana tai-mby. Tsy izao anefa ny fotoana hifanaovana an’izany. Mbola ho avy ny fifidianana.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.