Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governora Rasoamaromaka Hery : «Iharan’ny sazy henjana ireo manodinkodina fanampiana»

Governora Rasoamaromaka Hery : «Iharan’ny sazy henjana ireo manodinkodina fanampiana»

Nampitandrina ary tsy hilefitra amin’ireo mpanararaotra sy manao zanak’Ika­la­hafa momba ny Vatsy tsinjo. «Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fizarana ny fanampiana. Iharan’ny sazy henjana ireo tratra amin’ny fanodinkodinana», hoy ny gover­no­ran’Analamanga, Rasoa­ma­romaka Hery, omaly tetsy amin’ny birao fiasany etsy Am­bohidahy. Nanteriny fa tsy maintsy mahazo izany fa­nampiana izany avokoa ny re­hetra afa-tsy ireo efa nahazo Tosika fameno, mitentina 100 000 Ar. Nambarany fa efa mandeha any amin’ny fokontany ny komity, ny ekipan’ny depiote sy ny distrika ary ny faritra, miaraka amin’ny CUA, mijery ifotony sy ma­nara-maso ary manadihady ny momba izany rehetra iza­ny. Nahitsy ny tenany ni­laza fa tsy azo atao ary tsy ekena ny fisian’ny olona mety manangona karne any anivon’ny fokontany any. Efa misy lisitra eny anivon’ny fokontany ahafahana ma­na­ra-maso izany ary tetezina isan-tokantrano. Mahazo ta­pa­kila avy hatrany ireo ao an­aty lisitra, araka ny nambarany. «Hojerenay raha misy tsy mahazo ary tsy maintsy omena rehefa mitaraina izy ireo. Ireo mpitantana na mpitsinjara izany kosa, mety higadra ary miala amin’ny toerany raha voamarina fa manao ny tsy mety…», hoy ihany izy. Tsiahivina fa anisan’ny mandrindra sy miara-mientana amin’ny fanjakana amin’izao hamehana ara-pa­ha­salamana izao, indrindra amin’ny fizarana fanampiana sy ny sosialim-bahoaka tahaka izao, ny faritra Ana­la­manga.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.