Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Firongatry ny valanaretina : namono olona efatra ny Covid-19

Firongatry ny valanaretina : namono olona efatra ny Covid-19

Niampy efatra indray ka tafakatra 118 izany izao ireo lavon’ny Coronavirus, hatramin’ny marsa no ho mankaty. Mirongatra hatrany koa anefa ny fifindran’ity valanaretina ity. Miisa 132 ireo tranga vaovao ka avy eto An­alamanga ny 118 amin’izany. Efatra kosa ny tranga vaovao any Amoron’i Mania raha telo ny any Boeny. Roa avy ny any Menabe sy ny any Atsimo Andrefana. Iray avy kosa ireo nifindran’ny valanaretina any Atsinanana sy any Itasy ary any amin’ny fa­ritra Sofia.

Miisa 84 ireo marary mafy «forme grave»
Etsy andaniny, miisa 84 ireo marary mafy «formes graves» ka avy eto Ana­la­manga ny 74 amin’izany. Ahitana efatra any Matsiatra Ambony raha roa avy ny any Vakinankaratra sy ny faritra Boeny. Iray kosa ny ahina mafy ny toe-pahasalamany any Atsimo Andrefana.
Ankoatra izany, misa 381 ireo olona sitrana ka avy eto Analamanga ny 312 amin’izany.
Araka izany, mahatratra 11 660 ireo nifindran’ny va­la­naretina teto amintsika. Nisy 8 825 kosa anefa sitrana ka 2 717 sisa ireo mbola ma­naraka fitsaboana sy ara­hi-maso ny fahasalamany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.