Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina Andry : «Tsy misy ailika fa hahazo fanampiana avokoa ny rehetra»

Filoha Rajoelina Andry : «Tsy misy ailika fa hahazo fanampiana avokoa ny rehetra»

Nitohy teny amin’ny Co­li­seum, Antsonjombe, ny fi­zarana ny vary iray kitapo sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), miaraka amin’ny tambavy CVO, omaly. Nanokatra iza­ny teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry mivady. «Renay ny fitarainana teo alo­ha kely teo hoe tsy mba mahazo ireo olona tena mila ny fanampiana rehefa misy ny fizarana tahaka izao. Na tsy tonga tany amin’ireny olo­na ireny izany. Hama­fi­si­ko fa tsy misy ailika fa hahazo ny anjarany avokoa ny isan-tokantrano ka anisan’izany ianareo ato anatin’ny boriborintany fahadimy. Ha­ha­zo avokoa ireo ao anatin’ ny fahasahiranana manoloana izao valanaretina izao», hoy izy.

Tsy manary amin’ny fotoan-tsarotra ny filoha
Nanteriny fa ilaina ny fi­raisam-po, indrindra indrindra ny firaisankina, satria ana­tin’ny fotoana sarotra no ahatsapana ny tena namana. «Tsy hanary anareo anatin’ ny fotoan-tsarotra aho ka mitondra izao fanampiana izao ho an’ny isan-tokantrano, ho an’ny vahoaka ary indrindra, ho anareo manatrika eto», hoy ihany izy. Nan­teriny fa natao mba haharitra ho an’ny tokantrano iray ny fanampiana. Fa­ne­hoana ny fitiavana ihany koa, araka ny nambarany. Nirary ny rehetra ho salama ny filoha hahafahana mifanome tanana hampandroso ity ta­nin­drazana iombonana ity.
Notsiahiviny fa anisan’ny antony nandehanany teny An­tsonjombe ny hijery sy hahita maso ny fomba fandrindrana sy ny fandaminana ny fizarana, araka ny tokony ho izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.