Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nahazo hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar… : nidoboka am-ponja ilay ramatoa mpisoloky avo lenta

Efa nahazo hatrany amin’ny 5 tapitrisa Ar… : nidoboka am-ponja ilay ramatoa mpisoloky avo lenta

Naiditra vonjimaika am-ponja ao Antalaha, omaly, ilay ramatoa nisoloky milaza ho mahavaha olana momba ny ady tany ao Sambava, herinandro vitsy izay. Efa nahazo vola manodidina ny 5 tapitrisa Ar izy io. « Andrasana kosa ny mahakasika ilay lehilahy lazainy fa vadiny niara-nitsikombakomba aminy », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Ilay lehilahy anefa, milaza ho tsy mahafantatra ilay vehivavy fa sendra niara-natory taminy fotsiny. Tsiahi­vina fa monina ao Antsirabe Sambava ilay lehilahy ka mampifandray izay manana olana momba ny tany amin’ny fitsarana. Ilay vehivavy kosa, milaza ho mahafantatra olona ao amin’ny fitsarana ka afaka mamaha ny olana misy. Fan­tatra fa nahazo vola 1 435 000 Ar ilay ramatoa hamoahana ny didy ao amin’ny « cours d’appel » Antsiranana. Mbola nahazo vola 1 622 000 Ar koa izy ny 6 jolay teo hamoahana « grosse » avy eto Antanana­rivo. Mbola nandefasan’olona vola 1 375 000 Ar indray izy hanaovana « droit » hakana vadintany sy mpitandro filaminana. “Nampiana vola 270 000Ar indray izany avy eo”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Vantany vao azo anefa ny vola, tsy hita intsony ilay ramatoa. Vokany, nitory ireo voasolokiny ka voasambotra tao Ambato­fi­tatra Daoud izy, ny 30 jolay teo. Nambaran’ny polisy ao an-toerana fa misy fitoriana hafa amin’ny resaka fisolokiana momba azy niarahany amina lehilahy roa hafa. Ireto farany izay mbola karohina hatramin’izao.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.