Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Belindo – Bekily : sokatra 16 tratran’ny zandary

Sokatra miisa 16 tratra nentin’ny roa lahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Belindo, distrikan’i Bekily. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary tao amin’ity kaominina ity no nandeha bisikileta izy ireo. Raha vantany vao nahatazana ireo zandary mpanao fisafoana izy roa lahy, nilefa niaraka amin’ny bisikileta nitondrany ireto sokatra ireto. Navelany teo kosa ireo sokatra. Nanara-dia nanenjika ireo roa lahy mpanao trafikana sokatra ireto ny zandary, saingy tsy tratra intsony izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana rehetra, natolotra ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ireo biby arovana amin’iny faritra iny ireto sokatra ireto. Hatreto aloha, tsy mbola fantatra mazava ny toerana nakana ireto zana-tsokatra ireto. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana rehetra momba ity raharaha ity ka aorian’izay ny hamantarana ny marina rehetra. Maro ireo mpanao trafikana sokatra tratran’ny mpitandro filaminana any amin’iny faritra atsimo iny. Tsikaritra anefa fa mitady irika hatrany ireo mpanao trafika hamoahana an-tsokosoko izany na eo aza izao fikatonan’ny lalana noho ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.