Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosibe Angarangarana : tezitra tamin’ny sefom-pokontany ireo tsy nahazo Vatsy tsinjo

Raikitra ny fifanjevoana, omaly teny Anosibe Angaran­garana. Andian’olona marobe no naneho ny hatezerany tamin’ny sefom-pokontany. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy ka voafehy ihany ny toe-draharaha teny an-toerana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisy fizarana tohana ara-tsosialy (Vatsy Tsinjo) ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana avy amin’ny filoham-pirenena tao amin’ny fokontany Anosi­be Angarangarana. Ampahan’ olona vitsivitsy ihany anefa no nahazo araka ny fandaminana teo anivon’ny fokontany. Nisy koa anefa ireo ampahan’olona tsy nahazo ka teo no niteraka ny savorovoro satria nolazain’ireo olona tsy nahazo ireo fa hoe nahodinkodin’ny sefom-pokontany ny anjaran’izy ireo. Nifatratra tany amin’ny sefom-pokontany ny hatezeran’ireo andian’olona marobe ka tonga tany amin’ny fikasana hidaroka ity sefom-pokontany ity izany. Nalaky tonga anefa ny polisy niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika. Nentin’ny polisy ni­hazo ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) avy hatrany ilay sefom-pokontany ka nisy ny fifanazavana tamin’ny lehiben’ny kaomisaria niaraka tamin’ny eo anivon’ny distrika. Fantatra nandritra izany fa misy olona mivoy ny ambadik’izao raharaha izao, raha ny fanazavana voaray.

Tsy ampy ny serasera momba ny fizarana…

Niverina teny Anosibe Angarangarana indray ny polisy taorian’izay ka mbola nahitana andian’olona eo amin’ny 30 eo ho eo nilanja sora-baventy mitaky ny hanalana ny sefom-pokontany. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa ny serasera momba ny fizarana no tsy ampy sady tsy mazava amin’ny olona ka mahatonga ny toy izao. Eo koa ny fisian’ireo mpanararaotra. Fantatra anefa fa isan’ireo fokontany betsaka olona mahazo fanomezana hatrany isaky ny misy fanomezana avy amin’ireo malala-tanana ny fokontany Anosibe Angarangarana. Nila­mina ny teny an-toerana taorian’izay, tsy nisy ny fisamborana na fanimban-javatra. Na teo aza izany, tsy voahaja ny momba ny fepetra ara-pahasalamana.

J.C

Les commentaires sont fermées.