Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Hitan’ny fokonolona, ny asabotsy maraina teo tamin’ny 6 ora latsaka fahefany, teny Ambohimanambola, ny vatana mangatsiakan’ny vehivavy iray efa maty vady, 53 taona. Nokapohina tamin’ny vato ny lohany, mbola nokendaina koa izy ka navelan’ireo mpanao ratsy teo amin’ny tohatra eny an-toerana ny nofony.

Tsikaritra fa nilatsaka ny pataloa nanaovan’ilay ramatoa. « Saika nisy hanolana izy io ka nanohitra izany, antony namonoan’ireo olon-dratsy azy », hoy hatrany ny mpiara-monina aminy. Nilaza kosa ny zandary fa tsy nisy trangana fanolanana niseho tamin’ny loza. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa notontain’ireo jiolahy tamin’ny vato ny masony. Mbola nisy taolana avy ao amin’ny lohany koa nanaraka rano nandritra ny fampandroana azy.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.