Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra-Côte d’Ivoire: kandida ho filohan’ny federasiona i Didier Drogba

Nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny antontan-taratasy, maha kandida azy hofidiana filohan’ny federasiona Ivoariana, taranja baolina kitra, i Didier Drogba, ny sabotsy lasa teo, andro farany natokana hanaovana izany. Araka ny efa fantatra, nahemotra ny sabotsy 1 aogositra teo ny farafanaterana ny antontan-taratasy firotsahana hofidiana filohan’ny federasiona ny baolina kitra ao Côte d’Ivoire. Kapitenin’ny Elefanta teo aloha sady mpanafika tao amin’ny Olympique de Marseille sy Chelsea taloha i Didier Drogba. Nambarany fa hanome aina indray ny baolina kitra ao an-toerana ny tenany. Tsiahivina, tsy nanaiky ny hanohana an’i Drogba amin’ity fifidianana ity, ny fikambanan’ny mpanohana ny baolina kitra ao an-toerana saingy misy hatrany ireo manome tanana azy.

Tsara ny manamarika fa 3 mirahalahy ny hifaninana amin’ity fifidianana ity, ahitana ny filoha lefitry ny federasiona, i Idriss Diallo sy ny filohan’ny ligy, i Sory Diabaté ary i Didier Drogba. Ny 5 septambra izao ny hanatanterahana io fifidianana io.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.