Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Frantsa: lasan’ny PSG ny amboaran’ny ligy

Tontosa, ny zoma 31 jolay lasa teo, tao amin’ny kianja Stade de France, ny andiany farany amin’ny fiadiana ny amboaran’ny ligy ao Frantsa. Norombahin’ny Paris St Germain izany rehefa nandresy ny Olympique Lyonnais (OL), tamin’ny fandakana ny “tirs au but”, 6 no ho 5, teo amin’ny famaranana.

Fihaonana tsy namaly loatra ny hetahetan’ireo mpijery. Tsy nisy endriny rahateo ny lalao nasehon’ny roa tonta. Toa nampandringa ny PSG ihany koa ny tsy nahitana an’i Mbappé, izay tsiahivina fa naratra. Nanampy trotraka ihany koa ny hafanana be niainan’ny rehetra. Tsy nisy ny baolina maty tao anatin’ny 90 mn fe-potoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra. Fanintsiviny amin’izao ny nandrombahan’ny PSG ity amboaran’ny ligy ity.

Noho ity fahareseny ity kosa, tsy afaka ny hiatrika ny “Europa league” ny OL amin’ny taona ho avy.

Tsara ny taom-pilalaovana ho an’ny PSG izay efa nandrombaka ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Frantsa, ny “Trophée des champions”, ary izao nahazoany ny amboaran’ny ligy izao indray.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.