Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ikongo – Tsy nanaiky fitsaram-bahoaka: nopotehin’ny andian’olona ny kaomisarian’ny polisy

Andian’olona marobe indray niditra an-keriny sady nanapotika ny entana rehetra tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ao Sahalanona, Ikongo, ny faran’ny volana jolay teo. Raha ny tatitra nampitain’ny depiote voafidy ao Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, nisy mpivarotra notafihin’ny jiolahy enin-dahy tao an-toerana, ny 7 jolay 2020. Henjana ny fanafihana satria nisy olona matin’ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Nisy fitarainana nataon’ireo niharam-boina amin’ireo manam-pahefana ao an-toerana. Namoaka didy fikarohana, araka izany, ny zandary sy ny polisy ao Ikongo momba ity fanafihan-jiolahy ity. Ny 30 jolay, tratran’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ity fanafihana narahina vonoan’olona ity. Fantatry ny fianakavian’ilay niharam-boina anefa fa hoe voasambotra ny iray amin’ireo olon-dratsy ka nifamory avy hatrany izy ireo niaraka amin’ny fokonolona ao an-tanàna. “Nentina teny amin’ny fitsarana ilay lehilahy ka tamin’izany no nilazan’ny fitsarana fa tonga dia atero any am-ponja fa ampanarahina ny taratasy aorian’izay.

Votsotra tampoka …

Nentina teny am-ponja indray, saingy tsy nety nandray ny fonja fa hoe ahoana ny handraisana olona tsy misy antontan-taratasy fa ento miverina any amin’ny kaomisaria”, hoy hatrany ny fanazavan’ny depiote Jean Brunelle. Teny an-dalana anefa, nangatahin’ny fokonolona teny am-pelatanan’ny polisy ity lehilahy ity mba hatao fitsaram-bahoaka, kanjo tafaporitsaka tampoka. Tezitra, noho izany, ireto andian’olona marobe ireto satria noheverin’izy ireo fa misy kolikoly na tandrevaka ny nahatafaporitsaka ity lehilahy voasambotra ity. Nentin-katezerana izy ireo ka ny biraon’ny polisy no nopotehin’izy ireo, ny entana rehetra tao an-trano. Nilaza kosa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard, fa tsy ny Polisim-pirenena na ny Zandariam-pirenena na ny fitsarana no fahavalo fa ny jiolahy. Miaraka manao fikarohana ity voarohirohy ity, araka izany, ny zandary sy ny polisy ao Ikongo.

J.C

Les commentaires sont fermées.