Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governoran’Analanjirofo: «Tsy ekena ny fampandrosoana mitanila»

« Iray ihany ny faritra Analanjirofo ka tsy ekena intsony n  fampandrosoana mitanila. Mendrika hisitraka fampandrosoana mitovy ireo distrika enina sy ny kaominina miisa 71 ary ireo fokontany miisa 815 mandrafitra ny faritra », hoy ny governora vaovao ao Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin. Notanterahina ny herinandro teo ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana sy ny governora. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ireo olom-boatendry sy ireo olom-boafidy mandrafitra ny faritra Analanjirofo fa vonona izy ireo hanampy ny governora amin’ireo asa fampandrosoana. Tsy olom-baovao amin’ny faritra Analanjirofo rahateo ity voatendry ity fa zanaky ny kaominina Saranambana, distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana, ary teraka ny 4 aogositra 1969 tao amin’io kaominina io ihany. Nohamafisiny fa hitondra aina vaovao izao fahazoana governora izao ary tohana lehibe, hoy izy, ny fahavononan’ireo hery velona rehetra any amn’ity faritra ity hifanome tanana tanteraka aminy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.