Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Alaotra Mangoro: votsotra ilay lehilahy nalaina an-keriny

 

 Hitan’ny zandary sy ny fokonolona ary ny fianakaviany omaly maraina, tao amin’ny kaominina Ranomainty ilay raim-pianakaviana nisy naka an-keriny ny zoma teo tao Betambato kaominina Bejofo, faritra Alaotra Mangoro. Reraka izay tamin’ny fotoana nahitana azy ary nalefa avy hatrany amin’ny hopitaly ao Bejofo. Tsy nisy ny fandoavana ny lelavola mitentina 15 tapitrisa Ar notakian’ireo naka an-keriny azy tamin’izany. Nambaran’ny zandary ao an-toerana fa mbola tsy misy ny olona ahiana nahavanon-doza. Mbola mitohy araka izany ny famotorana.

Tsiahivina fa ny zoma teo, tokony tamin’ny 07 ora sy sasany alina, nisy naka an-keriny ity lehilahy 45 taona ity. Sendra nivoaka teny an-tokontany izy no lasan’ireo olon-dratsy. Niantso vonjy izy ka nivoaka ny fokonolona nanenjika fa tsy nahatratra intsony. « Tsy nisy fandrobana nataon’ireo olon-dratsy fa toraka tamin’ny tafo trano indroa sy toraka varavarana no renay talohan’ny tranga », hoy ireo fianakaviany. Niambina ny teo amin’ny manodidina ihany koa ireo namany tamin’io fotoana io. Nisy nampihorohoro efa andro maro ny lehilahy, antony nahatonga azy nitsoaka tao Betambato. Izay ihany koa no nahatonga ny fiambenana ny tranony. Taorian’ny tranga, efa nahazo antso tamin’ireo mpaka an-keriny ireo fianakaviany. Nitaky vola mitentina 15 tapitrisa Ar ho famotsorana an-dralehilahy, kanefa izao izy avotra soa aman-tsara izao.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.