Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : tratra ireo jiolahy mpangalatra sy mpividy halatra

Toamasina : tratra ireo jiolahy mpangalatra sy mpividy halatra

Lehilahy roa sy vehivavy iray no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Commis­sa­riat central Toamasina, omaly. Voarohirohy tamina raharaha fanendahana sy fividianana entana halatra izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, omaly maraina, nisy fidinana tampoka nataon’ny polisy nanao fanamiana sivily hanenjehana ireo jiolahy mpanao asa fanendahana ao Toamasina. Nahitam-bokany izany satria tratra tao Ambolomadinika nandritra izao hetsika izao ny jiolahy iray efa malaza ratsy amin’ny fanendahana niaraka tamin’ny antsy. Ireo mpiantsena vao maraina no tena lasibatr’ity jiolahy ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Nandritra ny fanadihadiana azy no nanondroany ny olona mpividy ny entana halatra, nahitana vehivavy sy lehilahy iray. Voato­no­na hatrany ny anaran’ireto mpividy entana halatra ireto isaky ny misy fanendahana mitranga ao Toamasina. Ireo moto no tena isan’ny tena vidian’izy ireo ankoatra ireo entana halatra hafa. Hatolotra ny fampanoavana kosa, izy ireo, aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.