Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sakana ara-pahasalamana : fiara 3939 voasava teny amin’ny lalam-pirenena

Miisa 131 ireo sakana ara-pahasalamana napetraka eny amin’ny lalam-pirenena ao anatin’ireo faritra 17 eto Ma­dagasikara. Matsiatra Ambony misy telo, Vakinankaratra (roa), Atsimo Andrefana (18), Vato Vavy Fito Vinany (13), Alaotra Mangoro (dimy), Amoron’i Mania (10), Analanjirofo (efatra), Anosy (fito), Atsimo Atsi­nanana (valo), Betsiboka (dimy), Bongolava (enina), Ihorombe (dimy), Itasy (efatra), Melaky (17), Menabe (valo), Sava (valo) ary Sofia (valo).
Araka ny tatitra nataon’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny 29 jolay teo, fantatra fa fiara fitaterana miisa 3 939 no voasava ary olona 16 326 notsirihina. Fitsirihana ara-pahasalamana ireo olona anatin’ny fiara fitaterana (fandraisana maripana, famenoana taratasy ahafantarana ny toerana nialana sy handehanana) no ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana amin’ izany.
Marihina fa anisan’ny paikady hifehezana ny fiparita­han’ny Coronavirus ny fanaovana sakana ara-pahasalamana atao eny amin’ny lalam-pirenena rehetra tahaka izao.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.