Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niara-nilalao tamin’ny namany: hita nisy nandevina teny amoron-tatatra ny fatin’i Adriana

Niara-nilalao tamin’ny namany: hita nisy nandevina teny amoron-tatatra ny fatin’i Adriana

Tranga mampihetsi-po ny nanjo an’i Adriana. Teny amoron-tatatra no nahitana ny fatiny rehefa nanjavona nifampitadiavana. Mandeha ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Hita faty teny amoron-tatatra tao amin’ny fo­kontany Ambohi­man­da­­mina Mahajanga, afakomaly maraina tamin’ny 11 ora, ny vata-mangatsiakan’i Adriana, ankizivavikely tsy hita, na­nomboka ny alakamisy tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. To­volahy iray lava ranjanana sy nofosana mpiara-monina amin’ilay lasibatra ihany no nitondra azy sy hita nandevina ny fatiny. «Tokony ho tamin’ny 11 ora, ny alakamisy teo, nisy olo­na nahita lehilahy iray nan­gady tany. Taorian’izay, nilaza ilay tovolahy fa toerana filalaovany io nohadiany io», hoy ny fanazavan’ny polisy ao Mangarivotra. Taorian’izay, ni­sy naka sary ilay lehilahy, ilay tovolahikely nahita ny za­va-niseho kosa niantso vonjy tamin’ny fokonolona. Vokany, nandositra ralehilahy ka tafaporitsaka ary mbola tsy hita hatramin’izao. Nojerena tamin’izany koa ilay lavaka ka hita tao ny vata-mangatsiakan’ilay ankizivavikely 7 taona. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny BMH nijery ny zava-nisy. «Nisy diana fanakendana ny tendan’ilay ankizivavikely, nisy fery ny lohaliny roa», hoy ny voalazan’ny loharanom-baovao iray. Nilaza koa ny mpitandro filaminana fa nisy may ny ilan-tongon’ilay ankizivavy, tsy ni­sy kosa ny fanolanana azy. Mitohy ny fikarohana ilay na­havanon-doza ary mbola tsy misy ny didy fampisamborana azy.
Tsiahivina fa mbola nilalao niaraka tamin’ny namany i Adriana, ny marainan’ny alakamisy teo. Nalain’ilay lehilahy, mpiara-monina aminy izy ka nanaraka azy ary tsy hita intsony. Rehefa naseho an’ireo ankizy niara-nilalao tamin’i Adriana ny sarin’ilay lehilahy nangady lavaka. Nanamafy ireo ankizy fa ilay lehilahy io tokoa ny nitondra ny namany. Iarahan’ny polisy sy ny zandary ny fanadihadiana ny raharaha.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.