Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maherin’ny iray hetsy ny matin’ny covid-19 any USA

Maherin’ny iray hetsy ny matin’ny covid-19 any USA

Mihanaka ny covid-19 ma­neran-tany. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ireo firenena miisa telo. Lohalaha­ra­na amin’izany ry zareo Ame­rikanina. Maherin’ny 151 000 ireo maty any amin’ity firenen-dehibe ity. Faharoa ny any Brezila. Efa maherin’ny 90 000 ireo lavon’ny coronavirus. Fahatelo kosa ny any Grande-Bretagne. Mahe­rin’ ny 46 000 ireo efa namoy ny ainy any amin’ity firenena ity.
Etsy an-daniny, efa maherin’ny 17 tapitrisa ireo nifindran’ny valanaretina maneran-tany ary maherin’ny 680 000 ireo nodimandry hatreto, raha ny antontanisa farany, nivoaka, omaly. Manoloana izany indrindra, nanambara tao amin’ny tambajotran-tserasera ny filoham-panjakana Amerikanina, i Donald Trump. « Tokony hahemotra ny fifidianana filoha eto Eta­zonia », hoy izy. Na izany aza anefa, tsy afaka mampihemotra ny fifidianana izany ny tenany. Anjaran’ny kongresy ny manapaka izany. Maro anisa ao anefa ny avy amin’ny antoko demokraty. Manova ny lalàna fototra koa anefa raha miroso amin’izany ny kongresy satria mifarana ny 20 janoary ny fe-potoam-piasan’ny filoha iray mitantana any Etazonia.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.