Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kung Fu malagasy Wisa : 40 taona nisiana, velona sy miaina hatramin’izao

Kung Fu malagasy Wisa : 40 taona nisiana, velona sy miaina hatramin’izao

Piera Be ho an’ny olon-tsotra… Si Fu tamin’izany fotoana, mpampianatra Lehibe, antsoina, ankehitriny hoe Si Jo Mizael kosa ho an’ireo mpianany… 40 taona amin’ity taona 2020 ity no nitondrany voalohany ny Kung fu malagasy Wisa teto Mada­gasikara. 35 taona katroka, anio, kosa ny “Raharaha Kung lu”…

Ho an’ny ankamaroan’ ny olona, ilay haiadin’ ny Sinoa hita amin’ny sarimihetsika no mby ao an-tsaina, raha vao miresaka Kung-fu… Manana fijery hafa kosa ireo niaina ny vanim-potoana nampidiran-dRakoto­arijaona Pierre Mizael ny Kung fu malagasy Wisa, in­drindra ireo mpianany. Fam­pitana toe-tsaina sy toe-po miorina amin’ ny fanankinam-po amin’An­driamanitra, fikoloana ny herim-batana sy ny herin-tsaina ary ny fitiavan-tanindrazana no nataon’ity mpampianatra Lehibe ity….

“ Nozarainy tsianjery maro izahay na koa Mantra no filaza azy, hanamafisana orina ireo zavatra voalaza ireo ka hilentika tanteraka tany anatinay, anisany ireto:
– Mikasika an’Andria­ma­nitra Masina sy ny Tena: “Azy aho, ato anatiko Izy, jiro mana­zava ny fiai­nana izahay”
– Mikasika ny tanindra­zana: “Malagasy aho, hi­anatra ho Malagasy, hianatra ho an’ny Malagasy, hiasa ho an’ny Malagasy ho fiafarana ma­lagasy”, hoy ny fitantaran’ ireo mpianatra voalohany.

Mafonja, mavesa-danja, lalina ary feno sy sarobidy ary indrindra marina sy madio ny fizarana , fampianarana ary ny fanasitranana nataony matoa tsy afaka ao am-pon’ireo olona tsy ankanavaka nifanerasera taminy, na mpianatra izany na tsia, na dia 35 taona taty aorian’ ny nanjavonany aza. (1 ao­go­sitra1985) .
Fitaizana feno ny vatana , ny saina ary ny fanahy no no­raisina sy niainana ary niampy indrindra ny fitsaboana ireo vahoaka narary tonga nilahatra maimaim-poana na tsy mpianatra aza, sy nangataka vahaolana namahany ireo olana goavana mpitranga teo amin’ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany (ankizy very, fia­lana amin’ny toaka sy sigara, fanafahana tamin’ny fangejan’ ny fanahy ratsy, sns). Maro ireo mety hilaza hoe Kung-fu ve no resahina ka inona tokoa ny hi­fandraisany amin’izany rehetra izany? Ny tsara ho fantatry ny rehetra, takelaka hazo nisy soratra hoe “Filozofia mala­gasy” no nataony teo amin’ny trano nomanina tao Behoririka tamin’ny voalohany fa tsy nisy olona na iray aza nanatona. Rehefa nosoloina hoe “Kung fu malagasy” dia tonga nirohotra ireo tanora, saingy tsy nandray izy raha tsy olona efa mpi­anatra teny amin’ny Oniversite tany amboalohany. Avy eo, izay nanana Bacc, niitatra ta­min’ izay nanana BEPC ary taona vitsy taty aoriana, ny olona rehetra tsy ankanavaka. (Misy boky nosoratan’ny zanany Rakotoarijaona Avoko mitantara amin’ny antsipirian’ny zava-nitranga).

Ireto misy tranga vitsivitsy notsongaina, hozaraina, niainan’ireo olona nifanerasera taminy.

Rakotoarijaona Avoko, zanany (Boky 35 taona Kung Fu WISA):
Rakotoarijaona Pierre Mi­zael no anarany, vao tao ambohoka izy no naheno feo sy bi­tsika ny reniny mba hatao MIZAEL ny anarany…

Raha nipetraka tany An­joman’Akona izy, izay tanàna be dahalo dia nanafoana ny dahalo tamin’ny faritra atsimo satria santionany ny hoe : “Vao hiakatra an-tanàna ny dahalo dia mandohalika ho azy”….. nisy koa ny haintany tany Am­batondrazaka ka nandatsaka orana i Ramose Piera fa izany no fiantsoana azy, tamin’izany … indray alina, tao Ambositra dia niaraka tamin’ny olona efatra izy ka nenjehin’ny alika ma­robe fa nikiaka nanao “Kiai” indray mandeha izy dia nitsipaka maty ny alika dimy …. Nisy lehilahy mpanao ody vy nampidera ny fahaizany tao Ambositra ka nampihorohoro ny mponina, tsatohana antsy io rangahy io fa tsy laitran’ny antsy , farany nanatona moramora Ramose Piera sady nananatra azy , saingy mbola avo vava ilay rangahy, nitangorona ny olona : “Tsy laitranao aho Ra­piera a !! hoy ilay rangahy … nitsiky Ramose Piera sady nakasony tamin’ny tanan’ilay rangahy ny antsy ary rovitra ny tanan’ilay olona …nanomboka teo ny lazan’i Piera Lava fa mbola izany koa no fiantso azy fa sady lava izy no ngeza tao Ambositra !

Rakotoarijaona Lova, zanany (Boky Memoire)
-Dada roa samy hafa : Ala­kamisy hariva, fanaovany fa­nazaran-tena miaraka amin’ny Nge-Ba-Ha (ankizy madinika) tamin’izay. I Dada no nitarika ny kotrana tamin’io fotoana io. Tamin’ny famaranana ny fanazaran-tena no indro nisy Dada anankiray niditra ny varavarana manao ireo akanjo sy baoty fanaony. Gaga sy talanjona aho tamin’izay satria ilay Dada anankiray mbola nanohy ny zavatra nataony niaraka taminay . Rehefa samy variana teo izahay dia tonga saina tampoka aho ka niherikerika eran’ny trano nitady ilay Dada nitarika entrainement fa tsy teo intsony izy fa ilay Dada voa tonga no hitako teo ary nanontaniako hoe : “Iza izany ry Dada ilay nitarika anay teo ?”. Nitsi­kiany sy nosangiany fotsiny aho fa tsy nahazo valiny.

“Rehefa vita ireo teniny rehetra, nanafarany dia nanoroka anay izy ary notarafiny tamin’ny jiro avy eo ary nisy hazavana be sy fofona manitra be eran’ny trano. Nisy fiatoana fotoana vitsy ny fitifirana, izahay 7 mianaka kosa nian­tsoantso an’i Dada sy nigogogogo nitomany fa tsy teo in­tsony izy namaly . Nihalefy tsikelikely ilay hazavana sy ilay fofona manitra be teo …”

Mpianatra tranainy 1 : Mpianatra 10 lahy teo izahay, raha hiala teny 67 ha hamonjy ny trano nipetrahan’ny mpampianatra Lehibe teny Ampan­tsakana izahay dia niresaka ny momba azy naharitra teo aloha vao niainga. Samy nilaza ny heviny sy ny fomba fijeriny hatreny an-dalana fa raha vao niditra ny trano tao aminy, dia hoy izy : “Henoko daholo anie ny zavatra noresahinareo teo lehiretsy e ! “. Dia nolazainy tokoa tamin’ny antsipiriany izay rehetra noresahanay. Gaga sy talanjona aho mandinika azy sady mitsiky no mitantara ary nilaza tao an-tsaiko fa ha­fakely ity olona ity …

Mpianatra tranainy 2: In­dray andro, tao amin’ny fo­nenany ao Ambatomainty dia nampanantsoin’ny mpampianatra Lehibe tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny aho niaraka tamin’ny namako anankiray. Rehefa tafiditra
izahay roa lahy dia nasainy nakatona ny trano. Dia hoy izy
“Izaho izao raha mandeha eny Analakely dia tsy ho fantatrareo !“ ….Fa ahoana Maitre… “Hivadika ho ankizikely aho“, dia niova ho ankizy kely tampoka teo tokoa ny teo alohanay roa lahy ! Ary vetivety teo dia niverina ho ilay Maitre nipetraka teo ambony “canapé” indray, dia hoy indray izy “mety hivadika ho lahiantitrabe koa”, tampoka teo dia nisy lahiantitrabe indray teo alohanay roa lahy ka samy gaga sy talanjona tsy nahahetsika. Ampolon-taona taty aoriana, rehefa tsy teo intsony izy dia nisy lehi­lahy efa antitrabe tokoa toa mpangataka mitondra tehina nandalo tery alohako ary nijanona nandinika ahy mafy, nandritra izay raha mbola nieritreritra mafy teo aho no tadidiko ilay teniny taloha ka raha handeha hanatona haingana iny aho dia tsy hitako izay nale­hany.

Franck (Boky Memoire) : Tia haiady ary nanao Karate sy Judo hatry ny fahakely aho. Rehefa niditra nanao Kung Fu tao Behoririka anefa dia hoy Grand Maitre : “Fa taiza foana ise no izao vao tonga”. Nilaza ary izy, tato aoriana fa izay mpianatra tonga tao dia nantsoin-dry zareo ao ambony ma­nokana fa tsy tongatonga ho azy teo. Rehefa vita ny entrainement an’ny mpianatra dia tiako ny mijanona kely mijery an’i Si Fu mbola miresadre­saka na manao sarinady fa tena mahaliana ny fihetsiny rehetra. Teo am-pandinihana azy aho anefa dia hitako miova ny en­driny, indraindray tanora lava volo ary indraindray lasa lahi­antitra fotsy volo ary lava volom-bavabe. Gaga aho ary nanontany tena:” fa iza ity olona ity”.

Ny tantara tsy fanadino    

Ny taona 1980 no nampiditra ny Kung Fu Wisa ny Si Fu, araka ny fiantsoan’ny mpia­nany voalohany azy, feno 40 taona katroka amin’ity, araka izany. Dimy taona kosa no nam­pianarany, nialohan’ny nipoahan’ny “Raharaha Kung fu”, ny taona 1985. Nandritra io dimy taona nampianarany io (1980 – 1985 ), dia nahatratra 6000 eo ho eo ny mpianatra, izay nahitana sokajin-taona sy sokajin’olona maro . (Lahy sy Vavy 5 ka hatramin’ny 60 taona, nahitana tanora mpianatra, pasitera, mpitsabo, miaramila, mpampianatra, mpitsara, sns).
Maromaro ireo zava-ni­tranga, nipetraka ho tantara tsy fanadino nandritra io dimy taona io. Anisan’izany ny ni­seho, ny 4 desambra 1984 nandravan’ireo mpanao Kung fu notarihin’ny mpampianatra Lehibe sy ireo vahoaka ny vondron’ireo Tanora Tonga Saina na ny T.T.S, tetsy amin’ ny foiben’izy ireo etsy Beho­ririka (Pochard). Nalaza ho mpandroba sy mpampihorohoro vahoaka, naka an-keriny zaza amam-behivavy ireo TTS ireo, kanefa notohanan’ny fi­tondram-panjakana tamin’ izany fotoana izany. Nampiasa basy sy fitaovam-piadiana arifomba mahery vaika izy ireo, kanefa tsy nahovoka ireo mpanao Kung fu notohanan’ny vahoaka, ka rava ny TTS, ta­min’io fotoana io. Nitazam-potsiny satria nahazo baiko ny tsy hiditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana tamin’izany fotoana…
Feno 35 taona katroka anio koa ny “Alina mainty” niainan’ ireo mpanao Kung fu mala­gasy, izay nomena anarana hoe “Raharaha Kung fu” taty ao­riana. Araka ny fitantaran’ireo mpianany nanatri-maso sy araka ny voarakitra anatin’ireo boky nosoratan’ny zanany, ny 1 aogositra 1985, tany amin’ny 2 ora maraina tany no nanomboka nirefotra ny basy sy ny grenady, teny amin’ny trano fonenan’ny mpampianatra Lehibe eny Ambatomainty. Miaramila anjatony no nanao tifitra variraraka nandritra ny ora maro, nampiasa fiara mi­fono vy, grenady ary basy izy ireo. Nofaranany tamin’ny fan­­doroana ny trano avy eny am­bony helikoptera izany. Raha ny fihainoana ireo tantara samihafa dia tsy tokony hisy ho velona na faty mikararana no hita tao, saingy mbola nisy fahagagana maro nitranga tao an-trano nandritra ny fanafi­hana ka nampisehoan’ny mpam­pianatra Lehibe fa hery avy any an-danitra ambony mivantana no nampiasainy niarovana ka na ireo zanany madinika, izay mbola nisy roa taona sy tapany aza dia tsy voakitika ary efa fandaharana tsy azo ialana no nekeny atrehina.

Manamarina izany ireto zava-nitranga santionany ireto : – “Nitohy ny tifitra variraraka fa tao anaty efitrano kosa dia manome toromarika ny Grand Maitre : Samia isika, hoy izy, mikisaka miala an’io varavaran’ny salon io fa alefako any an-dalan-tsara ny bala rehetra …, dia nikisaka ny rehetra ka nahita tsara daholo fa tsy nisy bala tafiditra mihitsy tandri­fin’ny salon izay feno olona…” (Avoko R. Boky 35 taona KF WISA)
– “Rehefa nitaky ny hivoahan’i Dada ireo mpanafika dia niteny mafy izy hoe : Ho avy aho fa aleo ary aloha izahay hivavaka” (Lova R. Boky Memoire )
– “Niambina teo anoloan’ny vavahady izahay, ny harivan’ io ka nivoaka niresadresaka taminay teo i Si Fu, efa akaiky ny fotoana, hoy izy fa efa vonona tsara daholo ve ianareo ? Hisy ny ady sy ny ra mandriaka ary isika mpanao Kung fu no voatendrin’An­driamanitra hanohitra izany fa raha ny vahoaka tsotra dia ho be no maty, hisy amin­tsika ihany mety ho sorona ka raha ianareo no isan’izany dia isan’ny voavonjy ianareo no sady mahavonjy ny firenena. (Franck R. Boky Me­moire).

HAFATRA

Reko ny toloko sy ny fitarainanareo
Henoko avokoa ireo tomany sy toreo
Hitako ireo mitady hilavo lefona,
Mitady hamaha ny salaka
Satria, hono, ilay faharesena,
atomotra toa oron-tsaka
Dia ahoana? Mety ve ny hilavo lefona ry havana ?
Nefa ao ambadika ao ilay tontolo maitso mavana?
Ny hany teniko amin’ise,
Mitsangana, mifanomeza tanana,
Mifanampia mahaiza manidy vazana
Atsangano ireo reraka, omeo rano ireo mangana.
Izahay na tsy miaraka eo aza
Miasa tsy an-kiteniteny,
Miray saina aminareo eny rehetra eny
Manoro izay azo atao tsy hahasarotra ny dia
Miteny aminareo hoe ampiasao ny AOI

Izay indray ary aloha, mametraka ny mandra-pihaona
Ao anaty fanantenana hoe: tsy ho ela isika dia hihaona
SI JO MIZAËL

Nanatontosa: Zo ny Aina Randriatsiresy

Les commentaires sont fermées.