
“Takina sy ilaina ny fitokisan’ny olom-pirenena. Teneninay efa tamin’ny roa taona lasa, ary averinay hatrany: ny tambim-pitokisana no olana teo amin’ny firenentsika” hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina.
Rehefa tsy matoky ny mpitondra azy ny olona entina, mivadika ho ratsy ny tsara rehetra. Mila apetraka ny fifampitokisana. Anjaran’ny tsirairay avy ny miandraikitra izany, indrindra ho an’ ireo mpindram-pahefana. Ireo no manana adidy betsaka kokoa noho ny olom-pirenena entina amin’ny fampanjariana ny fangaraharana sy tamberin’andraikitra.
Na izany aza, tsy mila kisa ny amin’ny fangaraharan’ny fitantanana ireo fanampiana iadiana amin’ny Covid-19 ry zareo. Rehefa ao anatin’ny fahamehana ny firenena iray, na ara-pahasalamana io na tsia: be ny zavatra miova, na ny dingana arahina fotsiny aza.
Serasera fitantanana krizy no tokony hatao
Ao anatin’ny fitantanana loza na fifehezana krizy, manan-danja lehibe ny fitantanana ny serasera, tsy serasera politika. Serasera momba ny ady amin’ny covid-19. “Rehefa mifantoka be dia be any amin’ny politika, ohatra, ny serasera atao, lasa sahirana isika. Ny lohany eto amin’ny firenena no tokony ho fakan-kevitra farany, rehefa tena sahirana isika”, hoy izy.
Raha mifamadika amin’ izany no mitranga: ny mpitarika indray no miteny voalohany; rehefa misy zavatra tsy mety, iza no hitarainana? Lojika raha tsy mahita ambara loatra, ny minisiteran’ ny Fahasalamana, rehefa mialoha lalana azy ny politika. Tokony harenina izany.
R. Nd.
Les commentaires sont fermées.