Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Fifidianana filohan’ny Caf : mbola haka hevitra aloha i Ahmad vao hilaza na ho kandidà na tsia

Kitra – Fifidianana filohan’ny Caf  : mbola haka hevitra aloha i Ahmad vao hilaza na ho kandidà na tsia

Nivahiny tao amin’ny onjam-peo BBC, ny alakamisy lasa teo i Ahmad, filohan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf). Tamin’izany no nanambarany fa tsy mbola afaka ny hanambara ny tenany ny amin’ny mety ho filatsahany hitantana fanindroany indray ity rafitra misahana ny kitra afrikanina ity na tsia. “Aleo aloha aho haka ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ankolafin-kery rehetra ary ireo mpiara-miasa amiko vao hiteny na ho kandidà na tsia”, hoy izy namaly ireo mpanao gazety. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny volana marsa 2021 ny latsa-bato amin’izay ho filohan’ny Caf, ho an’ny taom-piasana manaraka indray.
Hatreto, tsy mbola nisy nitonona ho kandidà amin’izany ireo filohana federasiona afrikanina na ireo mpilalao kalaza fahiny. Tsiahivina fa ny taona 2017 no nilatsaka hofidina hitondra ity Caf ity i Ahmad ary lany ka nisolo an’i Issa Hayatou, nitondra izany efa ho 30 taona. I Ahmad no filohan’ny Caf nitondra rafitra vaovao, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), ka nampitombo ny isan’ireo ekipa ho 24 raha 16 hatrany hatramin’izay. Nandritra ny fotoana nitondrany ny Caf, nahatonga an’i Madagasikara handray anjara voalohany amin’izany fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izany.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.