Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama : nametrahana “transformateur” iray eny Anosizato

Mitohy ny famahana ny olana amin’ny fahatapahan-jiro ato anatin’ny tambajotra Antananarivo sy ny manodi­dina (RIA). Nametrahana fi­taovana « transformateur » vaovao fanampiny eny Anosi­zato Andrefana, ny 29 jolay teo. Hanamafy ny tanjaky ny herinaratra eny an-toerana sy ny manodidina ity fitaovana vaovao ity. Simba matetika mantsy ny eny Anosizato An­drefana, nahatonga ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo ary tonga hatrany amin’ny fa­ritra Vakinankaratra mihitsy, satria anisan’ny mampifandray ny any amin’iny faritra iny ny milina eny Anosizato. Nitohy ny 30 jolay ny famindrana ny fitarihana ny herinaratra ao amin’ity “transformateur” vao­vao ity.

Anisan’ny nametrahana fitaovana fanampiny toy izao koa ny eny Anosiavaratra ao anatin’ny distrika Antanana­rivo Avaradrano, hanamafi­sana ny tanjaky ny herinaratra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.