Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Analamanga : nizarana fitaovana ireo CSB II miisa 28

Faritra Analamanga : nizarana fitaovana ireo CSB II miisa 28

Natao ny alakamisy lasa teo ny hetsika Tantsoroka Covid -19 izay tolo-tanana ho an’ireo ampahany amin’ny CSB 28 eto Analamanga mandray an-tanana ny fitsaboana ny olona ahina na efa voatily fa voan’ny Covid-19. Niara­han’ny holafitry ny mpitsabo, ny sendikàn’ny mpampivelona sy ny infirmier (SISFM) ary ny sendikàn’ny mpitsabo mpiasam-panjakana SMEDFM ni­salahy ny fanatanterahana. Ny hetsika Tantsoroka Covid-19 dia fanohanana ireo CSB II voa­tendry ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny Coro­navirus, ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo zokiolona, ireo tsy manan-kialofana, ny olona manana fahasembanana, ireo zaza autiste ary ireo olona boka eto Antananarivo sy any Toamasina. Tanterahina na­nom­boka ny 30 jolay hatramin’ny 7 aogositra izao. Fitao­vana fiarovana entin’ny mpitsabo misahana ny asa no nozaraina ahitana saron-tava 2 900, visière 90, fitsapana hafanana 29, fonon-tanana 2800 niaraka amin’ny fitaovana fandrarahana fanafody 68, fanafody fa­monoana tsimokaretina 290 l sy gel désinfectant 290 l ary oxymètre 28 no notsinjaraina.
Ho an’i Toamasina, nahatratra 1277 ny sakafo hozaraina amin’ny vondron’olona ma­refo sy ny mpiasan’ny fahasalamana iatrehana ny valanaretina Covid-19. Mpanohana ny asa ny OSISA.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.