
Ho an’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, tsy nijanona tamin’ny “Volan’ny teny malagasy” (volana jona) ny hetsika fa mitohy hatrany… Mila omen-kasina isan’andro ny teny malagasy. Anio 01 aogositra, manomboka amin’ny 4 ora hariva, hisoron’afo amin’ilay takalo “Dinika amorom-patana” indray ny Dr. Nalisoa Ravalitera, akademisianina sady mpampianatra mpikaroka . Lohahevitra hanafanany ny dinika amin’izany : “Ny fampiasana ny hainteny eo amin’ny kabary”.
Mbola ao anatin’ny fihibohana ny ankamaroan’ny firenena, noho izany, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “zoom” no hanatanterahana ny “Dinika amorom-patana”. Noho izany, mila misoratra anarana mialoha izay handray anjara amin’ny dinidinika satria voafetra ihany ny isa noho ny fandrindrana teknika tsy maintsy atao. Azon’ny rehetra arahina kosa anefa ny fizotry ny “Dinika amorom-patana”.
Marihina fa afaka mandray avokoa ny olon-drehetra na aiza na aiza ny firenena misy azy fa kendrena tsara kosa mba hifanaraka amin’ny oran’i Madagasikara ny fanombohana. Amin’ny 3 ora, ohatra, raha any Frantsa ilay mpandray anjara no monina.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.