Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety 3×3 : tanora fahatelo nahavita ny “E-learning Program” i Handry

Basikety 3×3 : tanora fahatelo nahavita ny “E-learning Program” i Handry

Mitombo hatrany ireo ta­nora mahazo ny mari-pankasitrahana amin’ilay “E-learning Program”. Dingana voa­lohany natrehin’ireo “Youth Leader” 21 mianadahy ity fan­daharanasa ity, ka Raza­fiminoharison Handry Ny Aina Fehizoro Abdinago, avy any Betsiboka ny tanora fahatelo nahavita izany hatramin’ny farany. Nambaran’i Handry fa tsy mora ny manao zavatra kanefa tiana ilay taranja basikety ary vao main­ka nampitombo ny fi­niavana niatrika ilay fiofanana ka izao vita soa aman-tsara izao. “Antoka hahafahana mahafantatra ny fampandrosoana ny basikety 3?3 ity fiofanana ity ka tsy kivy satria maniry ny hampivoatra izany taranja izany”, hoy ny nambaran’i Handry, tovolahy mbola tanora tokoa satria vao 21 taona monja. Raha ny fitantarany, nanomboka kilasy 1er no nilalao basikety voalohany, Razafiminoha­ri­son Handry Abdinago ary efa teny amin’ny Oniversite vao niditra klioba tao amin’ny IFPT (Tsiroanomandidy). Mbo­la maro ny dingana arahina ho an’ireo tanora isam-paritra manaraka ny programa ka efa miomana sahady i Handry, saingy miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahalasamana eto amin’ny firenena ny tohin’ny fiofanana.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.