Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Eid ul Adha » : Nankalaza ny fetin’ny sorona ny Miziolomana Ahmadiyya

« Eid ul Adha » : Nankalaza ny fetin’ny sorona ny Miziolomana Ahmadiyya

Nankalaza ny fety “Eid ul Adha” na fetin’ny sorona ny mpino silamo rehetra maneran-tany, omaly. Isan’ireo na­namarika ity fety lehibe ity koa ny teo anivon’ny fikambanan’ireo Miziolomana Ah­ma­diyya eto Madagasikara teny Andavamamba Anatiha­zo II. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Ahmadiyya eto Madaga­sikara, ny misionera Ahmed Mudassir, ny fetin’ny sorona na “Eid ul Adha” dia fety iraisan’ny Miziolomana rehetra eran’izao tontolo izao. Faha­tsiarovana manokana ny soron’i Abraham noho ny fitiavany an’Andriamanitra ka nanekeny ny hanolorana ny zanany lahy hatao sorona ho an’Andriama­nitra. Notsa­pain’ An­driama­ni­tra i Abraham ka nanaiky ny hanolotra ny zanany, saingy nony hitan’Andria­ma­nitra fa nankatoa ny didiny izy dia nosoloina ondry izany fihetsika mendrika nasehon’i Abraham izany. “Mendrika fa­kan-tahaka ho an’ny Mizio­lomanina izany fihetsika na­sehon’i Abraham izany ka ham­piharintsika amin’ny mpi­ara-belona amintsika”, hoy izy. Nisy, araka izany, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Ahmadiyya tamin’ny alalan’ny fizarana nofon-kena mi­tam-pihavihana ho an’ireo mpiara-belona sahirana, oma­ly. Miisa 1500 ireo nisitraka izany teto Antananarivo. Toy izany koa ny tany Fianaran­tsoa, Manakara, Toliara ary tany amin’ny faritra Melaky hiasan’ny Ahmadiyya.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.