Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vakinankaratra : nahazo tohana ireo mpanafana lanonana

Vakinankaratra : nahazo tohana ireo mpanafana lanonana

Refona ny rehetra manoloana ny fihibohana sy ny Coronavirus. Raha afaka ma­nao ny asany amin’ny ampahany ny sehatrasa hafa, tsy mba afaka manao izany mi­hitsy ireo mpanakanto mpanafana lanonana, na ireo mpampandihy sy mpanao «cabaret». Nitopy maso ma­nokana tamin’izy ireo ny fiadidiana ny Faritra Vakinan­karatra tamin’ny alalan’ny talen’ny kabinetra, i Elisé Ranarivelo sy ireo mpiara-miasa aminy.
Notolorana arovava, savony ary CVO teo an-tokotanin’ny Faritra Vakinankaratra izy ireo, tamin’ity hetsika ity. Nisaotra sy nankasitraka izao fihetsika izao ireto mpanakanto ireto ary nanambara ny fahavononany amin’izay mbola fiaraha-miasa azo atao.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.