Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanajana ny “couvre-feu”: Miisa 782 ireo olona tratra sy nampidirin’ny polisy «violon»

Tsy fanajana ny “couvre-feu”: Miisa 782 ireo olona tratra sy  nampidirin’ny polisy «violon»

Araka ny tatitra nataon’ny talem-paritry ny polisim-pirenena, ny kaomisera Razafindrazaka Hector, omaly, nahatratra 782 ireo olona nosamborin’ny polisy ary nampidirina “violon”, noho ny tsy fanajana ny “couvre feu” teto Analamanga…

Nambaran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena, voatendry hi­sahana ny talem-paritry ny filaminana anatiny eto amin’ny faritra Analamanga ity fa miisa 782 ireo voatery naiditra “violon” noho tsy fa­najana ny “couvre feu”. Ma­noloana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus, nisy lamina napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny tsy tokony hahazoana mivezivezy amin’ny alina, mandritra ny “couvre feu”. Eo koa ny fanajana ny ora voatondro hikatonan’ny toeram-pivarotana rehetra. “Misy ihany anefa ireo minia tsy manaraka izany lamina izany ka tsy maintsy mandray ny fepetra rehefa mifanaraka amin’izay koa ny mpitandro filaminana”, araka ny nambarany.

Miantso polisy raha misy fandika-dalàna
Nohamafisiny fa miezaka hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena mananatra sy mitaiza ny vahoaka mba hahafantaran’izy ireo ny tokony hataony manoloana izao ady iraisana amin’ny fiparitahan’ny covid-19 izao. Maro, araka izany, ireo olona nosamborin’ny polisy satria tsy nanaraka sy/na tsy mivaky loha tsotra izao ny fandaminana momba izao ady atrehina izao. Namba­rany fa tsy tokony hiafina any anaty entana amin’ireny fiara ireny ka hiondrana an-tsokosoko ny olona ary manentana hatrany mba hanaraka izany. Toy izay koa ny mpamily fiara rehefa manakaiky ny polisy izy ireo dia mody mametaka arovava fa rehefa miala avy eo indray dia tsy mametaka izany. Manentana ny vahoaka tsirairay avy ny talem-paritra mba handefa fitarainana avy hatrany raha misy tsy fanarahan-dalàna ataon’ny polisy. “Aza misalasala manao fitarainana raha misy polisy manao fandikan-dalàna”, hoy izy.

Miisa 24 ireo trangana tsy fandriampahalemana…
Voarara tanteraka mihitsy ny fisokafan’ny toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola. Ho an’ny mpivarotra, amin’ny 12 ora sy 30mn dia efa misy ny fanentanana ataon’ny polisy amin’ny hangoronana ny entana ary manampy ireo mpivarotra amin’ny fangoronana izany mihitsy aza ny polisy hanafaingana ny fahafahana miala ny toeram-pivarotana. Entanina kao ny tsirairay mba tsy hivorivory amin’ny tsy misy antony, indrindra ny any an’elakela-trano, araka ny nambarany. Ho an’ny tsy fandriampahalemana manokana, raha ny antontanisa eo am-pelatanan’ny polisy, nahatratra 24 ny trangana tsy fandriampahalemana teto amin’ny faritra Analamanga, nanomboka ny 23 marsa 2020 lasa teo ka ny efatra tamin’ireo tranga ireo dia tsy tanteraka avokoa. Manao izay ho afany, araka izany, ny polisim-pirenena amin’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana na eo aza ny ady amin’ny coronavirus.
Marihina fa nandritra ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra, afakomaly, araka ny tolo-kevitra avy amin’ny mi­nisitry ny Filaminam-bahoaka, dia voatendry ho Talem-paritry ny polisim-pirenena eto Analamanga ny kaomisera Razafindrazaka Hector.

J.C

Les commentaires sont fermées.