Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MSP : talem-paritra maromaro voatendry

Talem-paritra maromaro no voatendry tao anatin’ny fi­lankevitry ny minisitra natao tamin’ny alalan’ny « visioconférence », ny 29 jolay 2020 lasa teo, notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ho an’ny minisiteran’ny Filami­nam-bahoaka (MSP), araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny Filami­nana anatiny, nisy ny fanendrena ireo talem-paritra ka isan’ireo voatendry tamin’izany ny talem-paritra Anala­manga, ny commissaire principale de police Razafindrazaka Hector, ny commissaire divisionnaire de police Andriama­nantsoa Zaka­tiana Pierre Do­natien, voatendry ho talem-paritra Anosy ny commissaire de poli­ce de première classe Rafalimanana Alain Adonis, voatendry ho talem-paritra ao Bongolava ny commissaire principal de police Mandini­manana Hery Nirina, voatendry ho talem-paritra Amoron’i Mania ny commissaire principal divisionnaire de police Ranoarison Willy Martial, voatendry ho talem-paritra Atsimo Andrefana ny commissaire principal de police Randriani­rina Manahy, voatendry ho talem-paritra Androy ny commissaire principal de police Randriama­hasoa Pascal, voatendry ho talem-paritra ao Ma­tsiatra Ambony ny commissaire de police première classe Tafeno Roly Ezah Vivonys, voatendry ho talem-paritra Itasy ny commissaire divisionnaire de police Seraly Hercule, voatendry ho talem-paritra Menabe ary ny commissaire de police Zafimanga Gervais, voatendry ho talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany. Lasa lehiben’ny toeram-piofanana ho an’ireo mpianatra ho agent de police sy inspecteur de police (ENIAP) ao Antsirabe kosa ny commissaire principal de police Talily Damy. Andrasa­na, araka izany, ny fahaiza-manaon’ireto talem-paritra vaovao ireto, indrindra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

J.C

Les commentaires sont fermées.