Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao

Kitra sy ny “coronavirus” : Miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina ireo mpilalao

Tena ao anatin’ny fahasarotana tanteraka ny ankamaroan’ireo klioba amin’ny taranja baolina kitra eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ireo misedra olana ara-bola noho ny fialan’ireo orinasa manohana sy manampy azy ireo. Betsaka ihany koa ireo mpilalao sy mpanazatra no tsy manan-kohanina intsony, ma­melona vady aman-janaka, amin’ity taranja ity ny ankabetsahany, .
Miantso vonjy ireo mpilalao sy ny mpanazatra manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mitodika any amin’ny filoham-pirenena, ny mason’izy ireo amin’izao krizy ara-tsosialy mianjady amin’izy ireo izao mba hijery izay azo atao, hiatrehany ny fihiboana fa mahatsiaro mijaly ry zalahy.
Tsy voaloan’ireo ekipa intsony ny karaman’ireo mpilalao ka mizotra any amin’ny lalan’ny faharavana ny klioba. Eny fa na eo aza ireo mbola hiatrika ny fifaninanam-pirenena sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­kara, ho an’ity taom-pilalaovana 2020, ity.
Nisy ireo filoha mpitantana ekipa nilaza fa natsahatra mihitsy aloha ny klioba, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hamerenana azy amin’ny laoniny. Vokatr’izany, misy ireo hiala an-daharana ka tsy hanohy intsony ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, na hiverina aza ny fifaninanana, atsy ho atsy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.