Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo-Raoelison Vola : Tsiambaratelon’ny fahombiazany ny fikirizana

Judo-Raoelison Vola : Tsiambaratelon’ny fahombiazany ny fikirizana

Tsy zovina amin’ny maro, indrindra ny eo anivon’ny taranja Judo, Raoelison Elina Vola Diamondra. Ho fantarina ary ny momba azy. Ma­nambady ary manan-janaka telo mianadahy, Raoelison Vola. Tale ara-barotra ny asa sahaniny amin’ny andavanandro ary efa fantatry ny maro fa filohan’ny Ligin’Anala­manga, taranja Judo, izy, nanomboka ny taona 2016. Tena namiratra ary nitondra avo ny voninahi-pirenena tokoa i Vola. Efa imbetsaka nandrombaka ny tompondaka an’i Madagasikara ny te­nany, teo amin’ny sokajy nisy azy. Medaly maro ihany koa ny efa nisalorany teo anivon’ny Ranomasimbe Indiana, ny sehatra Afrikanina sy ireo fifaninanana iraisam-pirenena hafa. Isan’izany ohatra, ny medaly volamena azony, ta­min’ny lalaon’ny Nosy, ny taona 1998 sy tamin’ny CJSOI ny 1994. Efa nahazo ny tompondaka lefitra tamin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika Andrefana ihany koa izy, tamin’ny taona 1992. Maro tsy voatanisa ny fa­hombiazana hitan’i Vola ta­min’ireo fifaninanana nandraisany anjara ary nohamafisiny fa tsy tongatonga ho azy izany fa teo ny fikirizana. Saika fahatsiarovana tsara avokoa ny teo amin’ny spaoro, saingy misy foana ny tsy tonga lafatra. “Misy fotoana ilay manoman-tena amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena iray, kanefa tsy isan’ny mandeha amin’ny minitra farany”, araka ny fitantaran-dRaoelison Vola. Tsy teo amin’ny maha mpikatroka ihany ny nahafantarana azy fa mpitsara nasionaly sy rezionaly ary mpanazatra ihany koa izy.

Mbola vonona ho an’ny ligin’Analamanga raha ilaina
Namabaran-dRaoelison Vola fa vonona izy ny mbola hitantana ny ligin’Analaman­ga Judo, raha ilaina. Hafatra nomeny ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ny tsy hiankina amin’ny kisendrasendra fa mila ezaka, fanomanana, finiavana, manana “bon sens” sy “bonne étoile” raha te hahita fahombiazana.
Ankoatra ny Judo, tia manao basikety, Raoelison Vola. Fialam-boliny ihany koa ny mamaky boky ary trondro no sakafo tena ankafiziny.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.