Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo Resaky ny mpitsimpona akotry: Samy manana ny fombany fa misy fenitra iombonana

Manana ny rariny ny vahoaka raha mitaky fangaraharana momban’ny fanampina avy any ivelany voaangon’ny fanjakana iatrehana an’ity valan’aretina mamely mafy ity. Izay famelabelarana ataon’ny tompon’andraikitra anefa toa tsy mahafa-po avokoa. Nanao fahadisona angamba izy ireo raha toa dia namboraka ho fantatry ny rehetra ny totalin’ireo vola nanomezan’ny mpamatsy fampatokisana, izay mitentina 550.000.000 dôlara. Tamin’izany dia efa niseho ny fitsikerana ta­min’ny fanebahana hoe tia deraina ny mpitondra,
amin’ny lafiny ilany anefa dia afaka ho raisina fanomezan-toky amin’ny tsy fanafenana ny vola miditra porofon’ny tsy fisin’ny fikasana fanodikodinana ny ampahany. Ny adisona dia ny filazana azy ireo tsy ampy fitandremana momban’ny fitaitaikan’ny famoahana ny vola fa tsy tonga dia indray mitobaka. Mbola nitondran’ny minisitra mpitantana ny vola fanitsina anefa ka ilay 550 millions lasa 671 millions, nefa kosa zara ra ampahatelon’ireo vola ireo no voaray 192 million, ny an’ny Banque Mondiale ohatra dia ampahafolon’ny fampanantenana nomeny no efa mivaingana ao anatin’ny kitapo-bolam-panjakana. Nolazain’ilay minisitra koa ny fitsinjarana ny fampiasana an’ireo vola ireo, mazava ho azy fa tsy tapitra ny fanazavana raha voatery ho noresahiny ny fandanina antsipiriany isan-karazany maro ambaratonga. Tsy milaza anefa izany ny mety fisin’ny fandaniana afaka afenina na foronina. Tsy afaka adinoina fa miankina amin’ny rafitra ny fanjakana ary samy manana ny andraikitra isan-tsokajiny ireo tompo-pahefana eo amin’ny toerana misy azy. Tsy diso anjara ny vahoaka, eo ny solontenany dia ny Antenimiera-pirenena izay tompo-pahefana feno anara-maso ny fampiasana ny vola. Raha tsy tanterahany izany adidy izany nohon’ny antony samy hafa, dia tsy mahavita azy ny fitambaran’ny depiote izay nofidin’ny vahoaka, isika izany no tsy nahay nifidy olona irahana hisolo tena antsika.
Tsy niamboho adidy koa ny minisitry ny fahasalamana izay tafiditra tao anatin’ny disadisam-pianakavina anivon’ny fitantantanana, disadisa izay efa milamina araky ny fahitana azy. Any an-tsekoly moa dia tsy mitsahatra manafatra ny mpampianatra rehefa mitantana ny ankizy anao ny dingana voalohany eo amin’ny kajy fanambarana, zava-mitovy no atambatra ny isany, tsy milaza zavatra mazava ny totalin’ny biby fiompy anivon’ny toerana iray, tsy fantatra miavaka ny isan’ny akoho sy ny omby na ny kisoa sy vorona raha atao tambabe. Hoatran’izany anefa ny fijerin’ny olona ny fitanisana an’ireo fanomezana tonga ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny zavatra natolotry ny fikambanana na firenena iray no abaribarin’ny tatitra, na izany aza angamba tsy dia nanahirana diso be loatra raha notsinjaraina ara-karazany, mety ho maska, mety ho testa, mety ho fitaovana famonjena amin’ny tranga fahasemporana… Na izany na tsy izany efa miditra amin’ny làlana fanaovana fangaraharana, toy ny zava-drehetra anefa misy lalandava fomba fanatsarana, ohatra firy ny olona nisitraka an’ilay tosika 100.000 ariary…

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.